Socio-eco

MASOIVOHO VAHINY : Nitsidika ny orinasa Ambatovy


Nandray masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara ny orinasa Ambatovy ao Toamasina ny Alatsinainy 3 febroary 2020. Tao anatin’ity delegasiôna ity ny masoivohon’i Kôrea Atsimo, ALim Sang-Woo, ny an’i Frantsa, Christophe Bouchard, ny an’i Etazonia,  Michaël P. Pelletier, ary ny “Chef de Bureau” ao amin’ny masoivoho an’i Nôrvezy,  Andréas Danevad. Nampahafantarin’ny filohan’Ambatovy, Stuart Macnaughton ny momba ny ity orinasa fitrandrahana nikela sy kôbalta ity. Miavaka indrindra amin’ny  maha iraitsimivaky ny asam-pitrandrahana ny eto Madagasikara. Manomboka amin’ny fitrandrahana ka hatrany amin’ny fandiovana, ary indrindra ny vokatsoa entiny eo amin’ny sehatry ny toekarena. Notsidihana ny tao amin’ny toeram-pandiovana (Raffinerie) izay nahitan’ireo masoivoho ny  fivoahan’ireo vokatra nikela sy kôbalta avy ao anaty milina. Teny am-pamaranana ny fitsidihana dia samy naneho ny fahitany an’Ambatovy tamin’ireo mpanao gazety vitsivitsy nanatrika teo ireo Masoivoho ireo.

Le Président d'Ambatovy Stuart Macnaughton donne un aperçu général sur Ambatovy avant la visite d'usine

Naneho hevitra

 “Tonga eto izahay (…) satria Ambatovy (…) dia fampiasambola fakan-tahaka. Mino izahay fa raha misy toy izao any amin’ny faritra sasany eto Madagasikara dia tena ho zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana an’ity  firenena ity izany”, hoy ny nambaran’ny Masoivohon’i Kôrea Atsimo,  Lim Sang-Woo. “Tena tetikasa fakan- tahaka eo amin’ny sehatry ny fampiasambola ho an’izay liana te ho avy eto Madagasikara ity tetikasa ity”, hoy izy.

Nitovy fijery tamin’izany ny Masoivohon’i Frantsa, Christophe Bouchard, raha nanambara fa ilaina ny fisian’ny fifanarahana tsara eo amin’ny governemanta Malagasy sy ny orinasa avy any ivelany. Atao mazava  ny fepetra mialoha ny hiavian’ireny orinasa ireny, mipetrapetraka tsara ny lalàna ary mangarahara hatrany mba samy hahazo tombontsoa ny andaniny sy ny ankilany. (…) Ho tombony ho an’ireo orinasa sahy miditra mampiasa ny volany, fa indrindra ho an’ny firenena, ny mponina, ary mba hiteraka fiharian-karena ho an’i Madagasikara.

Ankoatra izay dia nanamafy ny maha zava- dehibe ny sehatra tsy miankina ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny masoivohon’i Etazonia, Michaël P. Pelletier. “Araka ny hevitro, ny zavatra tena nahaliana sy nanan-danja indrindra dia ny nahita ny maha zava-dehibe ny anjara toeran’ny sehatra tsy miankina. Fantatsika fa eo am-pijerena ny maha zava-dehibe ny anjara toeran’ny sehatra tsy miankina ny Prezidà ny Repoblika Malagasy ankehitriny ao anatin’ny drafitra fampivoarany”. Nofaranany tamin’ny hoe: “(…) Tena talanjona tamin’ny zavatra hitanay androany izahay ary mino sy manantena fa hitohy sy hiroborobo hatrany ny orinasa Ambatovy”.

Nanangona Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *