Socio-eco

HAKANTO CONTEMPORARY: Hamoha ny fitiavan’ny ankizy ny zava-kanto sy ny kolontsaina


Manaitra ny talenta miafina. Misantatra ny Hakanto Cotemporary ny fampirantiana mitondra ny lohanteny hoe: “Eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao”. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 06 febraory 2020 teny Ankadimbahoaka izany. Mpanakanto avy eto an-toerana sy avy any ivelany, am-polony toy an’i Domi Sanji (designer ),  Donn, Alexandre Gourçon et le duo : MentalKlinik  (plasticiens), Kristel (mpihira rock),  Judith Olivia Manantenasoa (mpandihy), Môssieur Njô (mpanoratra) ary Ravelomanana Lalaina (chef cuisinier) no mampiseho ny sangan’asany ao amin’ity toerana natokan’ny Fonds de Dotation hanandratana ny zava-kanto sy ny kolontsaina malagasy, hiaraha-miasa amin’ny any ivelany ity. Azo tsidihan’ny daholobe ny fampirantiana mandra-pahatongan’ny 02 mey 2020, eny Café Mary, Galerie Alhambra, Ankadimbahoaka izay maimaim-poana. Nambaran’ny tale ara-kanton’ny Hakanto Contemporary, Andrianomearisoa Joël fa ho fanampiana ireo mpanakanto efa fantatra na vao misandratra io toerana eny Ankadimbahoaka io. Azo  hanaovan’izy ireo fampirantiana, hanatevenan’izy ireo ny traikefany, hamokarana sangan’asa. Ankoatra izany dia ho fampifanatonana ireo samy  mpanakanto na mpanakanto  sy manapahaizana avy eto an-toerana na avy any ivelany hifampizara traikefa ity tetikasa ity. Ankoatra izany dia ho famohazana ny fitiavana ny kolontsaina sy zava-kanto malagasy, indrindra eo amin’ny ankizy. “Manana fomba fisainana isika malagasy fa ny zava-kanto sy ny kolontsaina dia tsy takatry ny « mahantra ». Esory ao anatin’ny lohantsika malagasy izany fa natao ho an’ny vahoaka iray manontolo ny kolontsaina sy ny zava-kanto”, hoy i Andrianarisoa Voos  Romy, tale jeneralin’ny fonds de dotation HY. Ny sabotsy 08 febroary 2020 dia hanao fitsidihana ny fampirantiana  ireo mpianatra 150 avy any amin’ny EPP eny amin’ny kaominina Ambohijanaka. “Tsy manana fotoana hijerena an’izany ireo ankizy ka ho fampianarana an-dry zareo  sahady iny atao hoe kanto sy kolontsaina io fitsidihana io. Mety misy amin’izy ireo ihany koa manana talenta miafina ka hanaitra azy amin’izany”, hoy Razafintsalama Bodo, tomponandraikitry ny sa sosialy ao amin’ny kaominina Ambohijanaka. Mihazakazaka amin’ny fanandratana ny kolontsaina sy ny zava-kanto malagasy ny sehatra tsy miankina ary aiza ho aiza kosa ny fitondram-panjakana?

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *