Socio-eco

SALON AVENIR ET FORMATION: Manentana ny mpitsidika hitondra CV


Fianarana ambaratonga ambony sy fampananan’asa. Nanomboka androany 07 febroary 2020 eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny “salon avenir et formation”. Rahampitso 08 febroary ity hetsika karakarain’ny Mada Jeune sy ny GMM (Grand Marché de Madagascar de la Formation) ity vao hifarana. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara, Rajaonah Haingo fa sady hanampiana ireo tanora amin’ny fitadiavana fianarana ambaratonga ambony aorian’ny bakalorea no hanampiana ireo tanora mitady asa ny “salon avenir et formation”.

Trano heva 50 no hita eny an-toerana ka ny 40 amin’ireo dia ivom-pampiofanana, sekoly ambony mbola mikarakara fidirana andiany faharoa ho an’ny taom-pianarana 2020-2021. Orinasa kosa ny 10 izay mandray ireo tanora mitady asa ary mandray CV (curriculum vitae) avy hatrany. “Manentana ireo mpitsidika mba hitondra CV “, hoy ny mpikarakara. Ankoatra izany, mandritra ny roa andro dia misy ny famelabelaran-kevitra ka lohahevitra maro no ho resahina amin’izany ho fampahafantarana bebe kokoa ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny asa. Raha ny hita nandritra andro voalohany dia anisany mahaliana ireo mpitsidika ny lalam-piofanana lalàna, “management”, fampandrosoana, teknolojia ary ny haino aman-jery.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *