Socio-eco

FITATERANA ANDALAMBY: Ho averina amin’ny fanjakana ny toerana nampanofain’ny Madarail Development


“Raha misy contrat dia ho jerena mba tsy ho contrat azo tamin’ny kolikoly”, hoy ny Ministry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro, Andrianavalona Ramanambola Herizo, nandritra ny fitsidihany ny foiben-toeran’ny orinasa MADARAIL, eny Soarano, ny 23 novambra 2026.

Nanome baiko izy ny hamerenana ny fananan’ny orinasa, nankinina ho tantanin’ny MADARAIL Development izay tsy azo amidy sy tsy azo atao antoka. “Fanamby ny famerenana ny fananana rehetra izay lasan’ny olona toy ny trano, tany. Ireny misy manofa toy ny gare, hatrany Toamasina sy Antsirabe. Misy amin’izy ireny ny franc symbolique ny hanofana azy nefa misy orinasa  mioty any ambadika izay anisany nampitotongana ny orinasa. Hany ka misy fanampiana avy amin’ny fanjakana lasan’olontokana”, hoy izy nandritra ny fandraisam-pitenenany nanoloana ny mpiasan’ny MADARAIL. Nanamafy izy fa tokony ahofa araka ny tokony ho izy  ny fananan’ny orinasa ary efa misy “note ministérielle” navoaka hampahafantarana ireo mpanofa.

Nijery ireo trano, fiasana samihafa (ateliers) natokana ho amin’ny fanamboarana, famoronana  ary ny fikojakojana  ireo fitaovana sy fiarandalamby  ny delegasiona notarihiny.

Nambarany ihany koa fa ao anatin’ny famerenana ny fitaterana an-dalamby ny ministera. Anisan’izany ny fanarenana ny lalamby, ny fandoavana ny trosan’ny orinasa. “Tanjona ny famerenena zotra andalamby mitatitra olona, toy ny zotra mampitohy an’i Mankajandriana sy Anjeva ary Antananarivo-Antsirabe”, hoy izy.

Manana ny lohamasinina miisa enina ny orinasa amin’izao fotoana raha  telo no noraisina nandritra ny famindram-pitantana, iray volana sy tapany  lasa izay.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *