Socio-eco

FEPA 2020: Mampiomana sahady ireo tanora te hisehatra amin’ny tontolo ambanivohitra


 Varotra fampirantiana, famelabelaran-kevitra sy fampiofanana ary tolotr’asa. Efa andiany faha-12 sahady ny FEPA (Foire de l’élevage, de la pêche et de l’agriculture). Lohahevitra nampitondraina  ny FEPA 2020 ny hoe : « ny fiompiana, ny jono ary ny fambolena no fototry ny fampandrosoana maharitra». Ho tanterahina ny 21 ka hatramin’ny 24 mey 2020 eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahatena Mahamasina ity tsenaben’ny fiompiana sy ny jono ary ny fambolena, karakarain’ny MPE  (Malagasy Professionnels de l’élevage) ity. Mpisehatra amin’ny fambolena, fiompiana ary jono toy ny mpamokatra mivantana, ny mpivarotra, ny sampandraharaham-panjakana sy ara-bola miisa 300 no handray anjara amin’izany ary 30.000 ny mpitsidika no handrasana.

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny MPE, Andriamananarivo Rabearivelo, nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny 20 febroary 2020 teny Nanisana fa ankoatra ny varotra fampirantiana  ireo vokatry ny lalam-pihariana fambolena, fiompiana, ary jono dia hisy ny famelabelaran-kevitra sy fiofanana maimaim-poana mandritra ny efatra andro. Nambaran’ny mpikarakara ihany koa fa ho marobe ireo tolotr’asa hampahafantarin’ireo mpandray  anjara. Manoloana izany dia « mampiomana sahady ireo tanora  na olona te hisehatra amin’ny tontolo ambanivohitra izahay ».

Tao anatin’ny 25 taona nisian’ny MPE  dia niara-niasa akaiky tamin’ny ministera misahana ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono  (MAEP) ity ivon-toerana ity. Nambaran’ny tale misahana ny fanohanana  sy ny fampiroboroboana ny fiompiana ao amin’ny MAEP, Razafimpamoa Lucile fa ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny fitondram-panjakana, Madagasikara mahavita tena ara-tsakafo izao hetsika izao.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *