Socio-eco

CORONAVIRUS: Aretina mahafaty fa azo sorohana


Hafatra fototra ho an’ny daholobe. Tsy vao izao no nisy ny aretina coronavirus fa efa nisy tranga ihany koa taloha ary karazana coronavirus vaovao ity hita tany Chine ity, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, Dokotera Rakotoarivony Manitra nandritra ny famoriana ny mpanao gazety, nanazavana ny zava-misy momba ity valanaretina ity, ny 14 febroary 2020 teny Andavamamba. Raha ny tarehimarika nomen’ny solontenan’ny OMS (organisation mondiale de la santé) eto Madagasikara dia 46.997 ny tranga voamarina hatramin’ny 13 febroary 2020, firenena 24 no nahitana izany ka  ny 90 %  amin’ireo dia tao Chine. 1368 ny olona maty. Raha ny eto amintsika no resahina dia nambaran’i Dr Rakotoarivony Manitra fa mbola tsy tonga eto Madagasikara io tsimokaretina azo avy amin’ny biby io saingy mila mailo hatrany. Araka ny fanazavany dia olona iray ahiahiana no arahimaso eny amin’ny hopitaly Anosiala nanomboka ny 12 febroary 2020 ary miandry ny valin’ny fitiliana. “Ny atao hoe  cas suspect  na ahiahiana dia tsy voatery ho ilay tena aretina fa rehefa fisehoana aretina, miakatra hafanana, mitsoni-delo, mangorangorana ka nifanerasera tamin’ny olona avy any Chine  tao anatin’ny 14 andro dia raisintsika. Fa ny olona arahimaso  kosa dia tsy misy fisehoana aretina, tsy misy analyse atao,  miandry ny 14 andro, afaka mody soamantsara na tsy maintsy atao analyse satria nisy fisehoana aretina”, hoy izy.

Mahafaty toy ny aretin’ny taovam-pisefoana mahery vaika ny aretina entiny. Mbola tsy misy ny vaksiny fanefitry ny coronavirus fa ho fisorohana ny aretina dia zava-dehibe ny manasa tanana matetika amin’ny rano sy savony na mampiasa rano voatokana mamono otrikaretina, manampina vava sy ny orona amin’ny mosoara lamba na taratasy na amin’ny lantotsandry rehefa mievina na mikohaka, misakafo masaka tsara ary  ronono avy nampangotrahina tsara no sotroina. Ankoatra izany, fadio ny misikotra orona na mikosoka maso amin’ny tanana, ny manao tanana am-bava na mikosoka molotra amin’ny tanana. Hajao ny elanelana iray metatra amin’ny olona manavy sy mikohoka ary fadio ny fifampikasohana mivantana raha tsy misy fiarovana. Rehefa misy tranga mampiahiahy dia antsoy maimaim-poana ny 910. Raha ny fikarohana nataon’ny OMS dia avy amin’ny ramanavy ny coronavirus ary miampita amin’ny  biby hafa ny tsimokaretina vao mifindra amin’ny olombelona.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *