Socio-eco

FITRAMA : Misy hatrany ny fizahana tsy andoavam-bola amin’ity faran’ny herinandro ity


« Tsy ny vola no zava-dehibe fa ny mpiray tanindrazana ». Ho fanohizana ny fanampiana ireo malagasy rehetra dia mitohy ny fizahana mailaim-poana ny sabotsy sy ny alahady. Manao an’io avokoa ny toerana rehetra misy ny Fitrama. « Tsy manao dokam-barotra ary tsy hanao dokam-barotra mihitsy izahay fa mampianatra ny olona hampitombo ny hery fiarovana  mba hanana ny faharetam-pavelomana. Fiverenana amin’ny zavatra natoraly ka tsy am-piasa vokatra simika », hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina , filoha mpanorina ny Fitsaboana Fitrama. Nomarihany fa tamin’ny taona 1980, 1990 nanana taha ambony ny taonan’ny malagasy raha 80 na 90 taona vao maty. Ankehitriny dia maty tanora ny malagasy ary misy karazana aretina maro isan-karazany. Vokatry ny fihinanana ireo vokatra simika no mahatonga an’izany ka manentana antsika ihinana leguma, voankazo ka ho lavitra ny aretina…Anisany mahasalama ny fihinanana tantely, akondro ary rano. Tsy tokony hisaraka ny fihinanana an’ireo. Ho an’ny mpitsabo Fitrama dia, tsy ny vola no zava-dehibe fa ny mpiray tanindrazana ary hikaroka amin’ny famoronana asa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *