Socio-eco

FIANAKAVIAMBEN’NY MAINTY MAINTIENINDRENY MIRAY : Manohitra ny fanaratsiana bontolo sy tambabe ataon’ireo hery vahiny sy ireo gasy safiotra


Tsy mankasitraka ny fihetsika fihantsina. Nizara roa ny fehin-kevitra nivoitra nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ireo ray aman-dreny sy mpitan-kazomanga ao amin’ny fianakaviamben’ny mainty maintienindreny miray teny amin’ny kianjan’ny kanto ny 06 aogositra 2021. Tsy eken’izy ireo ny fanivaivana olobe, ny solombavambahoaka izay tsy nanao afatsy ny asany noho ny fangatahan’ny holafitra isan-karazany, toy ny holafitry ny mpitsabo, holafitry ny farmasia, holafitry ny dokotera…Eo ihany koa ny fanonotononana fahatany ny anaran’ny Prezidàn’ny repoblika. Nanambara noho izany izy ireo fa tsy mankasitraka ny fihetsika ataon’ny mpitsabo nentim-paharazana manararaotra ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’izao fisian’ny valanaretina izao. Eo ihany koa ny fisalorany ny asa tsy hananany mari- pahaizana na alalana, hoy i Razafimbelo  Norbert. Mitaiza vilana ny vahoaka (psychologie sexologie) amin’ny haino vaky jery aman-tranokala. Noho izany dia nahato tsy ho isan’ny mpandray anjara intsony ao anatin’ny fikambanambe ny Hafari sy ny Fitrama izay tarihan’i Rafanomezantsoa mandra-pisian’ny fanapahan-kevitra vaovao, hoy izy.

Manamafy ny fanohanana ny Prezidà

Mahatsapa ny fianakaviambe fa misy ny « destabilisation » voaomana amin’ny alalan’ny filalaovana ny vidim-piainana. Misy ny fanaratsiana bontolo sy tambabe ataon’ireo hery vahiny sy ireo gasy safiotra sasany mitonon-tena ho diaspora, ireo mpanohitra bontolo ary mpanao gazety safiotra ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka sy ireo asa fampandrosoana rehetra ataony. Eo ihany koa ny fanilikilihana ny tena mpitolona sy fampiadiana an-trano ny malagasy sy ny ao anatin’ny fanjakana taorian’ny nandraisan’ny Prezidà an-tanana ny fitakiana hentitra ny hiverenan’ny nosy kely manodidina, iles éparses. Manamafy ny fanohanany Prezidà Rajoelina Andry ny maintienindreny. Farany, mankahery ny vahoaka malagasy amin’ny fiatrehana izao fahasahiranana noho ny aretina covid-19 izao izy ireo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *