Socio-eco

FIER MADA 2021 : Mitobaka ny vokatry ny tany


Sambany tamin’ity Fier Mada andiany faha-22 ity no tsy nisy vahiny avy any ivelany nitsidika sy nividy ny vokatry ny tantsaha malagasy. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 04 aogositra 2021 eny amin’ny kianjan’ny Maki Andohatapenaka ny Fier Mada 2021 izay misy trano heva 300. Dimy andro ny faharetan’ity foara ho an’ny tantsaha ity izay hifarana ny alahady 8 aogisitra 2021. Nisy fiovana ny fomba fiasan’ny mpikarakara satria nipaka teny amin’ireo tantsaha mivantana ny fanentanana ny hampisehoan’izy ireo ny vokatra ananany. Ny governoran’ny faritra no niara- niasa nahitana ireo tantsaha ireo, hoy i Ramanantsoa Jacques, filoha mpanorina ny Fier Mada. Na izany aza anefa dia tsy afaka nitondra tantsaha betsaka ny governora noho ny antony samihafa. Raha folo teo aloha dia telo tamin’ity andiany ity. Niezaka ny tantsaha nivarotra nivantana ny vokatr’izy ireo tsy misy mpanelanelana mandritra ity foara ity. Tsy niantehitra amin’ny tetikasam- panjakana ry zareo izay vatsian’ny vahiny vola, hoy izy. Sady efa niomana ihany koa izy ireo satria tsy maintsy hisy ny Fier Mada ka niomana amin’ny vokatra hamidy sy ny vola ho enti-manana amin’izany. Misy ireo vokatra tsy hita eto antananarivo kanefa misy eto Madagasikara izay  hita ato amin’ny Fier Mada zany. Eo amban’ny fiahian’ny ministeran’ny varotra ity hetsika ity.  Ny ministera no tokony hitarika amin’ny fampadrosoana iray manontolo ny tsenam-barotra eto an-toerana sy any ivelany, hoy hatrany izy. Trano eva roa ny an’ny ministera ka azo antonina raha mila fanazavana momba ny fandraharahana amin’ny ankapobeny. 40% ny mpitsidika dia olona am-perinasa ka manomana ny fisotrodronony ka mikaroka ny ho atao rehefa tonga izay fotoana izay mba hidiram-bola.

Ra-Nirina


2 comments on “FIER MADA 2021 : Mitobaka ny vokatry ny tany

  1. Samoelina

    Bjr tokony atao in-droa isantaona ilay fier Mada: 1 ao tana
    Ny faharoa mitety faritra n’a izay vonona hampiantrano ,mba ho fampizarana ny fahaiza manao sy hoan’ireo olona tsy afaka ny ho any tana , satria maro ireo tantsaha liana,tokony hampianarina ny tekinika maoderina ,indrindra ny fitaovana fambolena ,mankasitraka tompoko

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *