Socio-eco

FISANDRATAN’NY FARITR’ITASY : Amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fiompina ary ny fizahantany


« Faritr’itasy vonona ka tsy maintsy mandroso ». Manana trano heva 15 ny faritr’Itasy amin’ity foara Fier Mada 2021 ity. Niditra an-tsehatra amin’ny fanomanana sy fikarakarana ireo tantsaha sy mpanodina vokatra avy any amin’ny faritr’Itasy ka mandray anjara mandritra ny Fier Mada andiany faha 22  ny governoran’ny faritr’Itasy, Andriamanana Maherizo sy ny loholon’i Madagasikara, Randriamanantenasoa Landy. Fisandratana ny faritr’Itasy amin’ny alalan’ny eny ambanivohitra no tanjon’ny Governora. « Sehatra iray hampahafantarina ireo vokatry ny fambolena sy fiompiana ary asa tanana avy any amin’ny faritr’itasy ity foara Fier Mada atao eto amin’ny kianjan’i Maki ity. Tsy vitan’ny fivarotana ireo vokatra fotsiny ihany ny fahatongavana eto fa fotoana ahitana ahitana mpiara-miombon’antoka sy lalam-barotra ihany koa mba hampitombo ny vola miditra ho azy ireo », hoy ny Governoran’ny faritr’Itasy. Vokatra mampiavaka ny faritra ny trondro, ovy, sakamalao, kafé…Efa manomboka manandrana fambolena vary Hybride ny tantsaha sasany. Mahatratra 19 taona ny iray hektara. Raha manao izany fomba fambolem-bary izany ny tantsaha rehetra dia ho tanteraka ny velirano faha-9 nataon’ny Prezidà Andry Rajoelina amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hoy izy. Roa  karazana ny fomba hitondrana ny fandrosoana ny faritra raha ny nambaran’ny Governora. Tombony ho an’ity faritra ity ny fananana tany mamokatra noho ny fisian’ny vôlokana. Tokony hifototra amin’ny fambolena noho izany ireo tantsaha. Eo ihany koa ny fizahantany,  azo atao tsara ny manasongadina ny faritra amin’ny sehatry iray ity. Ankoatra izay dia hanampy ireo tantsaha amin’ny fanomezana masomboly voafantina, zana-trondro ny faritra. Tsy voatery manana dobo raha hiompy trondro fa na atao any an-tanimbary dia efa mety sady mahatsara ny voka-bary izany, hoy ny Governora.

« olan’ny tantsaha ny tsy fahampian’ny fitaovana enti-mamokatra. Eo ihany koa ny tsy fahitana lalam-bokatra amin’ny zavamisy ankehitriny kanefa asehon’ireo tantsaha amin’ny trano heva izao fa mahavokatra izy ireo »,hoy ny loholon’i Madagasikara. Hita sy voamarina amin’izao koa fa voatsinjara ara-drariny ny fanampiana avy any amin’ny fanjakana ka isaorana azy izany, hoy izy. Ireo tantsaha ireo dia nahazo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fambolena.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *