Socio-eco

HAINGONALA : Mitondra ireo karazana voankazo kely dia misy voany eny amin’ny Fier Mada


Fotoana iray hitondran’ireo tantsaha ny vokatra ny Fier Mada. Anisan’ireo mandray anjara amin’ity foara ity izay atao eny amin’ny kianjan’i Maki Andohatapenakany Haingonala. Fantatra amin’ny fikarakarana sy famokarana ireo karazana voankazo kely dia misy voany izy ireo. Miavaka ny amin’ity Fier Mada 2021 izay nanomboka ny 04 Aogositra 2021 ka hifarana ny 08 Aogositra 2021 raha ho an’izy ireo satria misy vokatra telo vaovao azon’ny mpanjifa jifaina eny amin’ny trano heva misy an’ny Haingonala, toy ny Kiwi, cerise ary kaki vaovao. Eo ihany koa ireo  karazam-boasary miisa 20. « Ankoatra ny voankazo ahafantarana anay dia mitondra ny tantely misy tsiro sy hanitra voasary izahay . Efa manomboka mamokatra voninkazo kely , karazana azalée 20 ny Haingonala », hoy Rakotoniaina Michel, tonian’ny Haingonala. Mihatsara ny vokatra raha hoharina tamin’ny teo aloha. Ny voasary manify ny hodiny, telo volana dia efa mamelana. Ankehitriny dia ny voankazo efa mamoa mandavan-taona izay in-efatra isan-taona. Tsy mifidy tany ireto voankazo ato amin’ny Haingonala satria fasika, zezika ary tany ny haniriany, hoy izy. Ankoatra izay dia miompy kakana ihany koa ary mamokatra zezika tain-kakana izy ireo.

Ra-Nirina


One comment on “HAINGONALA : Mitondra ireo karazana voankazo kely dia misy voany eny amin’ny Fier Mada

  1. Rabary

    Salama tompoko,
    Mba mangataka ny numéro tél sy adresse-nareo aho azafady. Ny ahy dia 0349965600 na 032 84 088 20. Misaotra mialoha, tompoko.
    Dia manantena ny valinteninao tsy ho ela. Veloma tompoko.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *