Catégorie Socio-eco



HAZAKAZAKA POSIPOSY MAMPIRAY TOUR 2017: Lalao hampifandraisana sy hiarovana ny tombontsoan’ireo mpitari-posy entin-tanana.


Misedra olana ireo mpitari-posy entin-tanana izay fitaovam-pitaterana mahomby ary mahasarika mpizahan-tany ny fandehanana aminy. Vokatry ny fidiran’ireo fitaovam-pitaterana hafa manaraka ny fanatontoloana toy ny “bajaj” sy ny “cyclo-pousse” eto Madagasikara, nihena ny isan’ireo miasa amin’azy ity. Teraka noho izany ny hetsika goavana “hazakazaka posiposy mampiray tour 2017”. Continuer la lecture


DES LEMURIENS AU PAYS DES CIGOGNES: Hetsika fampisehoana ny maha Malagasy any Strasbourg.


Sambany tamin’ny tantaran’ny toe-karena Malagasy no nisy hetsika natokana ho fampirantiana ny maha Malagasy any Strasbourg. Mandritra ny fito andro be izao no hanaovana izany, any amin’ity tanan-dehibe an’ny Eropeanina ity. “…des lémuriens au pays des cigognes”, hetsika ara-barotra hampahafantarana ny fomba fanao sy fahaiza-manao rehetra mampiavaka ny firenena Malagasy toy ny sakafo, asa tanana, fizahan-tany, ny kolotsaina… Continuer la lecture