Socio-eco

HPI-MASCA: Ivom-pampianarana ahitana ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny oniversite.


Niainga tamin’ny kely ny toeram-pampianarana HPI-MASCA Sabotsy Namehana. Ny taona 1974 no niforona ny sekoly ambaratonga fototra. Nandeha ny taona, nitsangana indray ireo efitrano hampianarana ireo ankizy ao amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Nitohy hatrany ny ezaka, lasa nisy oniversite ny HPI-MASCA ny taona 2013.
43 taona nanabeazana ity ivom-pampianarana ity. Ho fisaorana an’Andriamanitra noho ny fahaveloman’ny mpanabe sy ny mpampianatra ary ny fitohizan’ny fampianarana, nifampiarahaba nahatratry ny taona ireo tomponandraikitra rehetra, niaraka tamin’ny mpampianatra manomboka any amin’ny kilasy ambany ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony ny zoma 03 martsa 2017.
Amin’ny sekoly tsy miankina an’i HPI-MASCA, mazava ho azy fa mamelon-tena ity farany. Noho izany, miankina amin’ny mpianatra ny fidiram-bolan’ny sekoly. Manaraka ny rivotry ny fiainam-pirenena ihany koa satria miankina amin’izany ny fidiram-bolan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra. “Na dia teo aza izany dia niezaka foana ny sekoly hampandroso sy ny hanatsara ny fampianarana”, hoy ny Tale Jeneraly André RAKOTOSON.
Lynda A.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *