Socio-eco

MORONDAVA : Harato 40 nogiazana, taiza hatramin’izay ny manam-pahefana tamin’ireo mpanjono tsy manara-dalana ?


Harato manodidina ny 40 isa no nogiazana tao amin’ny kaominina  ambonivohitra Morondava androany. Nanao be midina tany an-toerana  ny tompondraikitry ny ministeran’ny harena anaty rano sy jono avy eto Antananarivo niaraka tamin’ny mpanara-maso ny jono sy ny manam-pahefana  isankarazany noho ny fampiasan’ireo mpanjono harato « tarikaky » izay tsy mifanaraka amin’ny lalan’ny fanjonoana akory. «  Zava-doza tokoa ny fampiasana azy ity satria  voasaringotra ao anaty harato hatramin’ny zana-trondro ». Vokatr’izany, ho lany tamingana tsy ho ela ny trondro any amin’ny faritra Menabe.

Ny zavatra mampalahelo dia tsy averin’ireo mpanarato any anaty ranomasina ireo zana-trondro ireo fa ho entina hamainina ary hanamboarana provandy hohanin’ny kisoa, araka ny fanazavan’ny mpanarato iray mampiasa io karazana harato io, izay mitady ravin’ahitra ao Morondava.

Taiza ny fandraisan’andraikitry ny manam-pahefana  any an-toerana hatramin’izay ela be izay ary efa an-taonan’ny maro mihisy ireo mpanarato tsy manara-dalana ireo no nanao izany ? Sa misy miray tsikombakomba amin’ireo mpanarato mpiavy ireo ny tomponandraikim-panjakana any Morondava ?

Soa ihany fa niditra an-tsehatra ny Ministera foibe raha tsy izany ho loza no hiafaran’ny sehatry jono any amin’iny faritra Menabe iny. Miandry ny tohin’ny ihany koa ny mpanara-baovao raha hisy ny fanasaziana ho an’ireo mpanarato nandika lalana ireo na ho afa-maina fotsiny izao.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *