Socio-eco

FIANARANA AMBARATONGA AMBONY TSY MIANKINA: Misy oniversite mampiasa ny fankatoavana lalam-piofanana iray ho an’ny sampam-pianarana rehetra.


Betsaka ny tanora vao afaka bakalorea no tsy mahafantatra akory ny tena marina ambadiky ireny fianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny fanjakana milaza fa “habilité par l’Etat”. Diso ny filazana hoe: “université habilitée par l’Etat” fa formation(s) habilitée(s) par l’Etat no fiteny.

Tamin’ny mbola tsy nampiasa ny LMD no lazaina fa “agrée” na “homolguée ilay oniversite. Ankehitriny kosa, raha mampiasa ity rafi-pampianarana vaovao ity izy, ny lalam-piofanana isaky ny diplaoma no  hankatoavin’ny fanjakana. “Ny lalam-piofanana isan-tsokajiny no mahazo fankatoavana avy any amin’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony fa  tsy ny oniversite velively”.

Ny diplaoma isaky ny lalam-piofanana no mahazo fankatoavana. Manomboka amin’ny  Licence izany, Master, ary Doctorat. Be dia be anefa  ny oniveriste  tsy miankina no mampiasa ny fankatoavana ny lalam-piofanana iray ho an’ny sampam-pianarana rehetra dia lazaina  fa “habilitée par l’Etat”. Ny tena zava-doza, raha diplaoma Licence ihany no nahazoana fankatoavana  dia entina handresen-dahatra ny mpianatra fa afaka manome diplaoma Master sy Doctorat ihany koa ilay ivom-pampianarana. Eto dia efa voafitaka ny mpianatra.

Tsy fitia te hanakiana fa miteraka voka-dratsy ho an’ny mpianatra ny famitahana tahaka izany. Betsaka amin’izy ireo anefa no tsy mahalala fa tsy maintsy mandalo komity  nasionaly momban’ny fankatoavana na Conseil national de habilitations (CNH) ny famoahana didy manome alalana hampianatra ilay lalam-piofanana. Mitaky andraikitra goavana ho an’ny oniversite izany avy eo. Anisan’ny fepetra takiana izao fa tsy maintsy mpampianatra manana diplaoma Master no mampianatra  ny mpianatra L1,L2,L3 izany hoe: ireo haka Licence. Torak’izay ihany koa ny ao amin’ny sokajy manaraka, tsy maintsy manana Doctorat vao afaka mampianatra ankizy haka Master…

Raha jerena anefa ny salan’isa, firy amin’ireo oniversite no mampihatra izany? Matoa napetraka izany fenitra izany dia ny fahafenon’ny   fahaizana hampitaina amin’ireo tanora no tanjona. Tsy mahagaga raha  mitotongana ny fari-pahaizan’ireo tanora vao vita fianarana eto Madagasikara satria mpampianatra mitovy kilasy aminy aza no nampianatra azy. Misy mihitsy aza mbola ambany diplaoma amin’izy ireo.  Rehefa tonga eny amin’ny sehatry ny asa, hita amin’izay ny lavaka.

Tokony hisy ny fanaraha-maso  ataon’ny Ministera voakasika mba tsy hitrangan’izany intsony . Ary tokony hanadihady tsara ireo mpianatra fa tsy sodokan’ny “habilité par l’Etat” fotsiny. Mila mieritreritra ihany koa ireo oniversite fa tsy atao fitadiavam-bola fotsiny  no atao fa tokony hitsinjo ny ho avin’ireo mpianatra Malagasy.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *