Socio-eco

HAZAKAZAKA POSIPOSY MAMPIRAY TOUR 2017: Lalao hampifandraisana sy hiarovana ny tombontsoan’ireo mpitari-posy entin-tanana.


Misedra olana ireo mpitari-posy entin-tanana izay fitaovam-pitaterana mahomby ary mahasarika mpizahan-tany ny fandehanana aminy. Vokatry ny fidiran’ireo fitaovam-pitaterana hafa manaraka ny fanatontoloana toy ny “bajaj” sy ny “cyclo-pousse” eto Madagasikara, nihena ny isan’ireo miasa amin’azy ity. Teraka noho izany ny hetsika goavana “hazakazaka posiposy mampiray tour 2017”. Ambositra, Ambatolampy ary Antsirabe no hanombohana izany. Nambaran’ny Filoha Lefitry ny fikambanana MAMPIRAY, Martin RANDRIANOELY fa endrika mampiray ny mponina eto Madagasikara ny asa mitarika posy ka tokony apetraka amin’ny toerany satria mahavelona ary saika ahitana azy avokoa ny faritra manerana ny Nosy.
Efa nanomboka androany 20 martsa ny fisoratana anarana ho an’ny lalao ka ireo mpitari-posy matihanina no fepetra voalohany takiana. Halaviran-dalana 4 km eo no diavin’ireo mpilalao ary sokajin-taona manomboka amin’ny 18 taona no miakatra no afaka mandray anjara. Ny 01 volana aprily 2017 ny fifaninana ho an’Ambatolampy, ny 29 aprily kosa ny any Ambositra ary 30 Aprily ny anjaran’Antsirabe. Ao Antsirabe ihany no atao ny famaranana ny 01 ny volana May 2017.
Raha ny fanadihadiana natao anefa dia ireo tantsaha avy any ambanivohitra no miakatra an-drenivohitra miasa sy mivelona amin’izy ity. “Betsaka ireo karazan’asa ataon’ny ankamaroan’ireo tantsaha mpifindra monina an-tanan-dehibe ka anisan’ireny ny fitarihana “posiposy”, hoy Rajery mpanakanto. Ho fanomezana lanja ity asa ity mihitsy no antony ny lalao ka izany indrindra ihany koa no nahatonga ny orinasa mpikarakara hetsika “Fétoo” nanohana ny fifaninana. Ankoatra izany, entina hampivondronana ireo mpitari-posy mba hiarovana ny zo sy ny tombontsoan’izy ireo manoloana ny fitaovam-pitaterana hafa no tanjon’ny hazakazaka posiposy mampiray tour 2017.
Marihina fa vola mitentina 2.000.000 Ariary ny loka ho azon’ny voalohany amin’ny lalao famaranana. 1.000.000 Ariary ny faharoa ary 500.000 Ariary kosa ny fahatelo. Ankoatra ireo, samy hotoloran’ny mpanohana ny hetsika loka maro hafa ireo telo voalohany.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *