Socio-eco

BNGRC: Ireo mpiara-miombona antoka no tena manampy amin’ny fiatrehana ny loza.


Hiditra ao Antalaha anio ny rivo-doza ENAWO. Ny 8 sy ny 9 martsa kosa izy no vinavinaina handalo eto Antananarivo. Araka ny fanazavan’ny sampana mpamatra ny toetra andro Malagasy, anisany rivo-doza mahery  i ENAWO.Ho an’ny  BNGRC, sampandraharaha misahana ny fitantanana ny  loza voajanahary sy ny fiantraikany izany dia efa nisy ekipa nalefa  any amin’ny faritra avaratry ny Nosy hanampy ny mponina  miaraka amin’ny sampana vonjy taitra, ny mpitandro ny filaminana, ny ratsa-mangaika rehetra ary ireo mpiara miombona antoka amin’ny fiatrehana ny loza sy izay mety ho fiantraikany. Torak’izay ihany koa ny eto afovoan-tany. Efa vonona ireo ekipa ireo.

Anterivava : Thierry VENTY

Nisy mihitsy  ny fivoriana niarahan’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny BNGRC androany ho fanamafisana ny paika ady rehetra efa voafaritra hatramin’izay. Nambaran’ny Sekretera Mpanatanteraka, Thierry VENTY fa izy ireo no tena manampy  amin’ny fitaovana ilaina rehefa tojo loza voajanahary. Tsy manana teti-bola goavana  natokana ho an’izany ny BNGRC fa  ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa  sy ny fanentanana  ny olona no eo am-pelantanany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *