Socio-eco

VISION MADAGASCAR : Vonona ny hampandroso ny toekaren’i Madagasikara hatrany.


Nandritra ny “Forum International Afrique Développement” natao tany  Casablanca (Maroc), nanamafy ny toky nomeny fa hampandroso ny toekarena Malagasy ny orinasa VIMA (Vision Madagascar). Efa nambaran’ny Vision Madagascar tamin’ny fivoriamben’ny mpamatsy sy mpampiasa vola, tany Paris  farany teo fa efa misy  fandaharan’asa momban’ny foto-drafitra asa sy ny  angovo  ho atao eto Madagasikara izay ampiasaina vola mitentina 300 tapitrisa dolara.

Ny 16 sy ny 17 martsa 2017  no nanatanterahana “Forum International Afrique Développement”  ka vahiny 1500 avy any amin’ny firenena 20 no tonga nanatrika izany. Anisany nasaina  i Madagasikara ka voafidy niaraka tamin’ny delegasiona Malagasy izay nahitana ny  Ministry ny Indostria sy ny fampivoarana ny sehatra tsy miankina sy ny Filohan’ny vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara  (GEM) ny ny Filoha Tale Jeneralin’ny VIMA, Zouzar BOUKA.

Amin’ny mpandraharaha azy, efa  nanatrika ny fihaonana ekonomika iraisam-pirenena maro  toy ny fihaonana an-tampony US-AFRICA, “Madagascar-Singapore Business Forum”,  “Conseil d’Administration de INVEST AFRICA” (Branche USA) ny tenany ka izany indrindra no nahatonga azy sahy mijoro hitondra ny anjara birikiny ho fampiroboroboana ny toekarena eto amintsika fa indrindra ny fikatsahana  ny IDE (Investissement Direct Etrangers) ho an’i Madagasikara.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *