politique

KMF/CNOE: Manentana ny olom-pirenena hifidy izay solombavambahoaka sahy hitondra ny hetahetan’ny vahoaka


Ho tanterahana ny 29 mey 2024 ny fifidianana solombavambahoaka. Andro vitsy mialoha izany dia nampita ny tatitra nataon’ireo mpikambana nandritra ny fanarahamaso nataon’izy ireo tamin’ny distrika 110 ny birao nasionaly. Nahatsikaritra ny mpikambana fa nahavita ny asan’ny OVEC sy ny HCC  tamin’ny famoahana  ireo lisitry ny kandida, tontosa ny famaranana ny lisitry ny mpifidy, voahaja ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ofisialy ary vonona ireo taratasy ho fikirakira amin’ny andron’ny fifidianana. Nahita tranga hafa anefa  ny fikambanana, toy ny fampiasan’ireo kandida ny marika ahafantarana ny Filoham-pirenena izay Filohan’ny Malagasy rehetra (anarana, akanjo, sary, hira, sns) ary ampiasaina koa rehefa manao fitsidiham-paritra. Eo ihany koa ny fampiasana ny fitenenana hoe “kandidam-panjakana” mandritra ny fampielezan-kevitra, ny fampiasana herisetra  amin’ny endriny rehetra (fahefam-panjakana, fanerena mivantana na ankolaka, vola, fitaovana…). Nanambara ihany koa ny birao nasionalin’ny KMF/CNOE, ny 25 mey  2024,  fa  tsikaritra samy nanao izay saim-pantany sy izay afany nandritra ny fotoana mialoha ny fanokafana ofisialin’ny fampielezan-kevitra.

Amin’ny maha mpanaramaso ny fifidianana ny KMF/CNOE dia manentana ny olom-pirenena  ny fikambanana hifidy sy hanendry izay hisolo vava azy, eny amin’ny Antenimieram-pirenena. “Koa mijoroa fa fahefanao izany. Sahia maka lesona, Depiote mpanao lalàna fa tsy mpandany lalàna na mpandray baiko handany lalàna fotsiny no ilaina. Solombavambahoaka hentitra amin’ny fanarahamaso  ny asan’ny mpanatanteraka ka tsy hikatsaka afa-tsy  ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy, sahy hitondra ny hetahetan’ny vahoaka, ary vonona hanao tatitra amin’ny olom-pirenena”.  Manentana ny olom-pirenena ihany koa ny fikambanana hifidy sy ampiasa ny fahefany. “Mahaiza misafidy izay heverinao fa tena manana hevitra mifanahaka amin’ireo andraikitry ny Depiote, ho amin’ny tena fampandrosoana handrasan’ny vahoaka. Alaviro ny mifidy ireo mpandika lalàna, sy ireo tsy afaka hanaja ny fisaraham-pahefana izay fototry ny Fanjakana tan-dalàna sy demokrasia”. Miantso ny  kandida ny KMF/CNOE mba handrakotra delege mahatoky sy resy lahatra eny amin’ny biraom-pifidianana rehetra. Manao antso avo amin’ny CENI sy ny HCC ihany  koa mba hanaja ny safidim-bahoaka, hampihatra ny lalàna manankery, tsy asiana tombo sy hala, araka ny rariny sy ny hitsiny.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *