politique

GNM LASA GNMR: Tsy mijanona ho mpanelanelana ihany fa hamokatra tolonkevitra mahasoa ny firenena


« Tsy misy firenena mandroso ao anatin’ny korontana fa ny filaminana ihany no miantoka fihatsaran’ny fiainan’ny vahoaka », hoy i Rakotomanana Hery, Filohan’ny Groupe National de Médiation (GNM), ny talata 19 desambra 2023 teny Ankadivato. Notovanana « R » ny anaran’ity fikambanana ivondronan’ireo Ray aman-dreny nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena ity. Lasa  Groupe National de Médiation et de Reflexion (GNMR)  ny Vondrom-pirenena Mpanelanelana. « Tsy fanelanelanana ihany no imasoan’ny  vondrona  fa famokarana tolonkevitra mahakasika izay rehetra mety mahasoa ny firenena ihany koa », hoy i hatrany Rakotomanana Hery. Nambarany fa misy krizy miverimberina eto Madagasikara ary miha mahantra ny vahoaka noho io krizy io. « Ankoatra ny maha Ray amandreny anay dia miezaka araka izay azo  atao  hametrahana filaminana  izahay satria izay ihany no mitondra  tombontsoa ho an’ny ny besinimaro. Tsy mitsahatra  mieritreritra ny fomba rehetra tsy hiverenan’ny krizy izahay », hoy izy. Mijoro noho izany ny GNMR « handinika momba ny fiainam-pirenena, hiarovana ny firenena tsy hihotsaka, hiarovana ny vahoaka Malagasy tsy hahantra  hatrany ». Miangavy ny rehetra  ny vondrona mba hanao lohalaharana ny fifanatonana, fifampidinihana, hampitovy fijery ho an’ny tombontsoan’ny firenena ary hampiato ny lonilony sy fankahalana fa firaisankina sy fihavanana no  atao fototra ho fanarenana firenena.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *