politique

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA: Marobe ny tsy fanarahan-dalàna ka hametraka fitoriana ny Kolonely Ramboasalama Emilien


Hiady hatramin’ny farany. Nanao fanambarana  i Kolonely Ramboasalama Emilien, kandida laharana faha-5 tao amin’ny boriborintany fahaefatra fa ny tsy fanarahan-dalàna sy tsy fahatomombanana  hita nandritra  ny fifidianana solombavambahoaka, ny 29 mey 2024. Anisan’izany ny ady saritaka, ny karapanondro sy kara-pifidianana sandoka, ny fivezivezena eny anelanelan’ny biraom-pokontany  sy biraom-pifidianana ataon’andian’olona mpomba kandida atolotr’ireo vovonana politika, ny fisiana andian’olona  hampidirina hifidy kanefa tsy manana karapanondro, ny fisian’olona mitsena mpifidy sy manangona olona any ivelany  ary mitondra azy hifidy avy eo. Ny fanombohana ny fifidianana tsy mbola misy ny lisitry ny mpifidy. Ny isan’ny mpifidy tsy mifanaraka amin’ny isa marina. Teo ihany koa ny fahatapahan-jiro nandritra ny fanisam-bato ary ny tena zava-doza dia ny fividianana vola ny safidin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny “bulletin pré-coché” tao amin’ny biraom-pifidianana maro. “Stylo  feutre” no ampiasain’ny CENI kanefa “stylo à billes” no nampiasaina tany anaty bileta ary hita nandritra ny fanisam-bato. Nambaran’i Kolonely Ramboasalama Emilien fa santionany amin’ny tsy fanarahan-dalàna ireo ary miteraka ahiahy amin’ny haneken’ny rehetra azy.  “Hananay porofo izany. Koa apetraka ny fanontaniana hoe: tena safidin’ny vahoaka marina ve ireny sa  nosadaina vola sy nahodikodina  sy noterena?”, hoy izy. Manoloana izany rehetra izany dia hametraka fitoriana any amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) sy  ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC) ny tenany ary miantso azy ireo hampanajana handray ny andraikitra mifanandrify mba ho fampiharana ny lalàna mifanandrify amin’izany.  Nilaza izy fa tsy manaiky ny halatra ary hiady hatramin’ny farany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *