politique

PAOLO RAHOLINARIVO – KANDIDA SOLOMBAVAMBAHOAKA: Hanolotra tolo-dalàna tena mahavoavaha ny olan’ny vahoaka Malagasy


Ao anatin’ny asan’ny solombavambahoaka ny fanolorana tolo-dalàna mifanaraka ny zava-misy eny ifotony. Manana tolo-dalàna 15 ho atolotra, eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, i Paolo Raholinarivo, kandida solombavambahoaka ao amin’ny boriborintany voalohany – Antananarivo renivohitra, raha lany soamantsara. Fanamby ho azy ny fanolorana lalàna tena mahavoavaha ny olana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy. Anisan’izany ny lalàna momba fiahiana ara-tsosialy. « Tokony ho maimaim-poana ny tolotra ara-pahasalamana », hoy izy. Ao anatin’ny vinan’ny kandida laharana faha-3  ihany koa ny fanolorana tolo-dalàna momba ny asa sy ny famoronan’asa. “Tokony omen’ny fanjakana vola  ireo tsy an’asa mba ahafahan’izy ireo mivelona. Tsy an’asa ny olona iray rehefa tsy mahavidy ny hanin-kohaniny, tsy manana fidiram-bola ahafahan’ny mivelona”, hoy izy. Tolo-dalàna ho atolony ihany koa ny fampitoviana ny karama farany ambany ho an’ny mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina. “Ampitoviana ny grille indiciaire ary misitraka fisotroan-dronono avokoa  ny mpiasa rehetra, toy ny mpanjono, mpiompy, mpamboly. Ovaina ny rafitra momba ny tahirim-bola ho an’ny fiahiana ara-tsosialy”.

Nambarany fa betsaka ny Malagasy no tsy mipetraka amin’ny trano mifanaraka amin’ny fenitra amin’ny  maha olombelona. “Tsy misy olona tokony atory ambany tonelina izany. Efa mety ny trano mora ataon’ny mpitondra fa tsy mora ho an’ny olona mahantra. Maninona raha  manao trano maorimaorina ho an’ireo mipetraka amin’ny trano sachet, hazo… Asiana toeram-pidiovana ao anatiny dia amidy amin’izy ireo 5.000 Ariary isam-bolana?  Manana zo hipetraka amin’ny trano tsara ny vahoaka Malagasy ka mila hanaovana lalàna momba izany”, hoy i Paolo.  Nanamafy ity kandida mahaleo tena ao  amin’ny  boriborintany voalohany ity  fa  mila amboarina ny lalàna momba ny fananantany. “ Efa ho 50 % ny Malagasy no tsy  manana tany. Mora ny hahazoana  ny tanin’ny gasy fa sarotra ho an’ny Malagasy no misitraka tany”, hoy izy. Ankoatra izany, hanolotra tolo-dalàna momba ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany i Paolo Raholinarivo. “Mila lalàna matanjaka ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany fa raha ny zava-misy amin’izao fotoana dia tsy natokana ho an’ny Malagasy ny harena navelan’Andriamanitra fa natao ho an’ny vahiny. Raha vahoaka madinika no mahazo cristal ngeza be dia enjehina. Misy anefa olona afaka mamadika ny volamena ho bolongam-bato. Mila ovaina ny lalàna momba ny harena an-kibon’ny tany”, araka ny fanehoan-keviny. Santionany amin’ireo volavolan-dalàna  iadiavan’i Paolo ihany koa ny lalàna fiarovana ny fomban-drazana malagasy ho famerenana ny hasin’i Madagasikara. “Tokony  samy manaja ny azy. Saziana rehefa manimbazimba ny fomban-drazana. Mampandroso an’i Chine dia mandala ny fomban-drazana, miaraka ny azy ny fomban-drazana sy ny maoderina. Ny fomban-drazana tokony hamehezana ny fiarahamonintsika amin’ izao dia mila soratana anaty lalàna ny fatahorana ny tsiny sy ny tody. Raha miverina izay dia ho sambatra isika satria tsy angarom-paosy aho sao dia aroan’ny olona paosy ny vady aman-janako. Izay fahatoharana tody izay  no voaloham-pahendrena teto Madagasikara. Maninona no tsy atolotrareo ao amin’ny governemanta ny lalàna iarovana ny fomba maha malagasy? ”, hoy izy.  Nampatsiahy izy fa handany ny politikan’ny fanjakana amin’ny ankapobeny (PGE) no asan’ny solombavambahoaka. Tokony mifanaraka amin’ny lalam-panorenana ny PGE  ary avadika ho lalàna izany mba ahafahana mampihatra azy.

Lynda A/Ra-Nirina


One comment on “PAOLO RAHOLINARIVO – KANDIDA SOLOMBAVAMBAHOAKA: Hanolotra tolo-dalàna tena mahavoavaha ny olan’ny vahoaka Malagasy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *