L’exposition ‘Oxymore’ de Viviane Haingoniony Rakotoarivony est ouverte gratuitement au public, du lundi au vendredi de 10h à 17h à la Fondation H – Antananarivo, RDC du Kube D dans la Zone Galaxy Andraharo. Continuer la lecture
Catégorie Actus
PAM: Hamatsy rano ireo sekoly hanaovana « cantine » ao Ambovombe ny ONG KFHI
Hampaharitra ny fampisakafoanana an-tsekoly. Anisan’ireo toerana saron-drano any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara ny distrikan’Ambovombe. Vola mitentina 60.000 dolara no entin’ny ONG KFHI (Korean Food Hungry Initiative) hanampiana ireo sekoly misitraka ny fandaharan’asa fampisakafoanana an-tsekoly tanterahan’ny ratsa-mangaikan’ny firenena mikambana misahana ny sakafo (PAM).Ny lafiny famatsiana rano sy fiarovana tontolo iainana no ampiasaina io fanampiana ara-bola io. « Mila mamokatra mba ahafahana mamatsy sakafo ireo cantine. Mba ahafahana mamokatra anefa dia mila rano. Mila rano ihany koa rehefa mahandro sakafo. Ho famatsiana rano ireo sekoly no antony fiarahamiasa eo amin’ny ONG koreana KFHI », hoy Ranaivoarivelo Marie Donna, tomponandraikitrin’ny fandaharan’asa fampisakafoanana an-tsekoly ao amin’ny PAM. Nambarany fa hampaharitra ny fampisakafoanana an-tsekoly ny fifanomezan-tanana tahaka izao.
Fandrahoana sakafo miaro tontolo iainana
Fanombohana ihany ny fiarahamiasa eo PAM sy KFHI ka sekoly miisa 15 any Ambovombe no hanatanterahana izany voalohany, araka ny fanazavan-dramatoa Ranaivoarivelo Marie Donna hatrany. Hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny fampidirana rano amin’ireo sekoly ireo ny KFHI. « Raha amoron-drano no misy ny sekoly dia fitarihana rano no atao na hanamboarana vovon-drano raha mety. Rehefa tsy mety ireo roa ireo dia amin’ny fomba hafa no hamatsiana rano ireo sekoly », hoy ny tomponandraikitra voalohan’ny fandaharan’asa fampisakafoanana an-tsekoly ao amin’ny PAM nanazava ny fomba hamatsiana rano ireo sekoly. Ankoatra izany, ao anatin’ny sahan’asa ho tanterahan’ny KFHI miaraka amin’ny PAM any Ambovombe ny lafiny fiarovana tontolo iainana. Ho jerena akaiky amin’izany ny fampiasana teknika hampihenana ny kitay handrahoana sakafo. » Mila kitay ny fandrahoana sakafo satria sakafo manta no alefa any an-tsekoly. Raha ohatra ka fomba fahandro tsy mitsitsy no atao dia mety hanimba tontolo iainana ». Notanterahina ny 12 oktobra 2022 teny amin’ny biraon’ny PAM Ambatoroka ny fifanaovantsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta. Nanatrika izany solontenan’ny PAM eto Madagasikara, ny Ambasadaorin’i Korea miasa eto Madagasikara ary ekipan’ny KFHI.
Ra-Nirina
AIRTEL : Ampahafantarina mandritra “Salon international des acteurs économiques » ny tolotra mety amin’ny mpandraharaha na orinasa vao niforona
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 13 oktobra 2022 teny amin’ny CCI Ivato ny “Salon international des acteurs économiques » na SIAE. Continuer la lecture
MPISEHATRA ARA-TOEKARENA: hanampy azy ireo hahita fiarahamiasa any ivelany ny SIAE
Tontosaina nanomboka ny 13 oktobora 2022 ka hatramin’ny 16 okotobra 2022 eny amin’ny CCI Ivato ny « Salon international des acteurs économiques » na SIAE. Continuer la lecture
PAM: Nohatsaraina ny sakafo omena ny ankizy any an-tsekoly
Maro amin’ireo mpianatra any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara no tsy misakafo maraina alohan’ny andeha hamonjy sekoly. Amin’ny 9 ora maraina dia efa noana izy ireo. Continuer la lecture
JOURNEE DU VOLONTARIAT FRANÇAIS : Des nouvelles ambitions pour le volontariat
La Journée du Volontariat Français, édition 2022 se tiendra ce jeudi 13 Octobre 2022 à l’Alliance Française d’Antananarivo. Continuer la lecture
BIRAO VAOVAON’NY ANTENIMIERAN’NY VAROTRA SY INDOSTRIA: Mila mifanohana ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana
16 aty aoriana vao nisy indray ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Antananarivo (CCIA). Lany ho Filohan’ny CCIA vaovao Rakotondrasanjy Rivo. Continuer la lecture
MANONDROALA: Manamora ny fanarahamaso ny fitantanana ny ala ny famokarana tao-sarintany
Mampiofana momba ny famokarana tao-sarintany sy ny fampiasana azy. Malaza tato ato ny doro ala. Manampy amin’ny famaritana ireo tebok’afo, ny fihitaran’ny afo, ny velarantany misy ala ny sarin-tany vokarina avy amin’ny sary avy amin’ny zana-bolana. Continuer la lecture
ORANGE SOLIDARITE DE MADAGASCAR -CUA : Miverina misokatra ny « maisons digitales » manerana ny boriborintany 6
Fiofanana momba ny informatika sy internet, famolavolana drafitr’asa, fanabeazana momba ny fitantanam-bola, fitantanana ary fampianarana momba ny fitantanam-bola eo anivon’ny orinasa madinika sy salantsalany (TPE/PME) no omen’ny « Maison Digitale ». Continuer la lecture
AEROPORTS D’ANTANANARIVO ET DE NOSY BE : Ravinala Airports participe au Salon de la RSE et des Initiatives pour le Développement Durable
Ravinala Airports, gestionnaire d’aéroports engagé en RSE Ravinala Airports renforce son engagement en matière de RSE à travers sa participation à la 7ème édition du Salon de la RSE et des Initiatives pour le Développement Durable qui s’est déroulé du 6 au 7 octobre 2022 au Novotel Alarobia. Continuer la lecture





















