Socio-eco

ORANGE DIGITAL CENTER: Mahazo tosika amin’ny lafiny ara-bola sy lalàna ireo tompona tetikasa


Mitombo ireo orinasa mifanome tanana amin’ny fanohanana ireo  tetikasa vao misandratra misehatra amin’ny  nomerika. Tontosa ny 10 novambra 2022 ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa eo amin’ny Orange Madagascar amin’ny alalan’ny Orange Digital Center sy ny « Société Générale Madagascar» ary ny « Cabinet juridique Lexel ». Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny  fandraharahana izao hetsika izao. Izany indrindra no mahatonga ny Orange Digital  ho isan’ireo mpisehatra fototra amin’ny « Global Entrepreneur ship Network » eto Madagasikara. Hizara ny fahaiza-manaony amin’ny lafiny ara-bola sy lalàna ho an’ireo tompona tetikasa tohanan’ny Orange Digital Center ny « Société Générale Madagascar» sy ny « Cabinet juridique Lexel ». Tsy niandry ela fa natomboka tamin’io fotoana io ihany ny fifampizarana traikefa niaraka tamin’ireo mpahazo tombontsoa ao amin’ny Orange Digital Center. Fiofanana telo no natao tamin’izany  izay nahitana mpandray anjara  miisa 90. Lohahevitra noresahana ny  fanaovana ny tetikasa (start-up) hiditra amin’ny valan’ny ara-dalàna. Ratsimba Tafita avy ao amin’ny Cabinet Lexel no namelabelatra izany. Niresaka momba ny fandoavan-ketra kosa Ranjatoely Frédéric avy ao amin’ny  Cabinet Lexel hatrany ary momba ny fahaizana amin’ny lafiny ara-bola kosa no noresahan-dRamatoa Ravololomboahangy Voahary Ny Aina, Tomponandraikitrin’ny « Maison de la PME ». Famporisihana ny famoronana sy fampiroboroboana ny orinasa salantsalany sy madinika ary tetikasa  ny famporisihana ny mpisehatra isan-tsokajiny, mpisehatra ara-toekarena handray andraikitra , hanome vahaolana amin’ny resaka asa sy hanamafy ny fifandraisan’ny sosialy sy ny toekarena. Izany indrindra no mahatonga ny « Société Générale » sy ny « Orange Madagascar » miditra an-tsehatra amin’ny fampandrosoana ireo taniketsan’ny nomerika mba hampisandratana ny orinasa malagasy. Natsangana ny “trano ho an’ny orinasa salantsalasany sy madinika (maison de la PME) teto Madagasikara ny taona 2020 ho fampiroboroboana ny toekarena eto amintsika.

Fiofanana maimaimpoana sy ho an’ny rehetra

Ivon-toerana manome fiofanana ho an’ny tsirairay hahazo fahaizana momba ny nomerika sy fandraharahana ny Orange Digital Center. Sahan’asa iray tafiditra ao anatin’ny politakan’ny orinasa mandray andraikitra amin’ny ara-tsosialy (RSE)  an’ny vondrona Orange, tohanan’ny Fondation Orange sy ny fiarahamiasa teknika alemana GIZ/BMZ izy ity. Ataony avokoa ny  fanomezana fiofanana momba “codage”, tantsoroka ho an’ny orinasa madinika sy ny maro hafa. Fandaharan’asa efatra no hita ao amin’ny toerana iray: sekoly ho an’ny codage, ny FabLab Solidaire an’ny Fondation Orange, ny Orange Fab sy ny Orange Ventures Africa. Maimaim-poana sy misokatra ho an’ny rehetra ny fiofanana ary mitohy any amin’ny famolavolana tetikasa. Noho izany, manome fiofanana momba ny teknolojia nomerika ho an’ny mpianatra, mpitady asa , tanora manana diplaoma na tsia ity ivon-toerana ity. Manosika ireo tetikasa vao misandratra ihany koa ny Orange Fab. Amin’ny alalan’ny fifaninanana, karakaraina in-telo isan-taona no hisafidianana azy ireo. 9 ka hatramin’ny 15 eo ny tetikasa tohanany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *