Socio-eco

FIARA TRANAINY: Manohana ny « Super grand meeting des voitures retro légende » ny Airtel


Tontosaina nanomboka omaly 12 novambra ary hifarana androany 13 novambra 2022 eny amin’ny CCI Ivato ny « Super grand meeting des voitures retro légende ». Manohana ity hetsika mampivondrona ireo fikambanana mpankafy fiara tranainy ity ny Airtel amin’ny maha orinasa misahana  ny fifandraisana azy. Fikambanana  mpankafy fiara tranainy miisa 24 no mandray anjara amin’ny « Super grand meeting des voitures retro légende ». Ankoatra ny fampirantiana ireo fiara tranainy nanamarika ny taona 1950 ka hatramin’ny 1990 toy ny Volkswagen, Peugeot 404, 2CV sy ny maro hafa dia hisy ihany koa ny hazakazaka fiarakodia, fampisehoana iarahana amin’ny tarika Iraimbilanja ary fanentanana isan-karazany miaraka amin’ny Okalou. Ny fikambanana mpankafy Volkswagen Cocinelle (Madacox) no mikarakara ny hetsika ho fanamarihana ny faha-25 taonany. “Ambohipihaonan’ny mpankafy fiara tranainany, fanatanjahantena mekanika, mozika sy ireo mikaroka fialamboly ity hetsika ity. Noho izany, fotoana iray ahafahana mamantatra bebe kokoa ireo tolotra momban’ny fifandraisana. Ho hita eny avokoa ireo tolotra natao ho an’ny orinasa na olon-tsotra toy ny antso, internet, Airtel Money”, hoy Ratsimbarison Anna, tomponandraikitrin’ny serasera eo anivon’ ny orinasa Airtel. Nambarany  ihany koa fa manohana ny hetsika ny Airtel satria  noho izy manome lanja ny lalan-tsaina momba ny fiarovana, fifaninanana ary orinasa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *