Socio-eco

FATANA MITSITSY KILENJY : Mampihena fandaniana ao an-tokan-trano no sady miady amin’ny fiovan’ny toetry ny andro


Lohalaharana ny saribao amin’ny fandrahoana sakafon’ny malagasy. Raha ny antontan’isa nataon’ny « STILEEX DATA » ny taona 2020 dia ny 68,47% ny malagasy no mampiasa saribao ary 7,21 % ny kitay. Mba hampihena ny fandaniana saribao dia nampidirina ao anatin’ny tetikasa AFAFI-Nord-AF ny rohim-pihariana fatana mitsitsy kilenjy. Ity tetikasa ity izay vatsian’ny vondrona Eropeanina ( UE ) sy ny Ministera federalin’ny Alemana momba ny Fiarahamiasa ara-toekerena sy Fampandrosoana (BMZ) vola izay ao anatin’ny fandaharan’asan’ny PAGE2/GIZ. Mihena hatrany amin’ny 30% fampiasana saribao ity fatana mitsitsy kilenjy ity. Anton’izany ny fampiasana ny tanimanga izay mitana hafanana. Tanimanga karazany roa hita any amin’ny distrika Ambilobe faritry Diana no akora ampiasaina dia ny tanimanga maintso sy tanimanga mena. Mihavaka sy mafy  izy ity satria mifono vy ny tanimanga noho izany dia maharitra. Ambonin’izany, mampihena carbone CO2. Mihena  10 isan-taona isan-tokan-trano ny hazo tapaka raha mampiasa ny fatana mitsitsy kilenjy. « Ny tena mpampiasa saribao betsaka indrindra no novatsiana ny fatana toy ny trano fisakafoana izay vao ny tokan-trano tsirairay », hoy i Jeremy Randriarimalala, tomponandraikitry ny fambolen-kazo.Tokatrano 10.000 no efa nahazo ny fatana nanomboka nisian’ny ny tetikasa ny taona 2019 hatramin’ny taona 2022. Tanjona ny hiparitahany fatana rehefa tapitra mahazo ny tokan-trano ao amin’ny faritry Diana, anisan’izany ny any avaratry ny nosy,  hoy hatrany izy. Mizara roa toerana  fanamboarana ny fatana. Eo ny fanaovana endriky ny fatana amin’ny tanimanga ary eo ny toerana famonosana vy  ny fatana tanimanga.

Marihana fa ny tetikasa no nanome ireo fitaovana ampiasain’ny nahazo tombotsoa. Eo ihany koa ny tohana amin’ny fiofanana, toy ny amin’ny lafiny fitantanana, fikajina ny vola, ny fivarotana ny fatana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *