Catégorie Actus



MANANDAFY Mahery Lanto : Tsy lova ny MFM fa fotokevitra


Délire Madagascar (DM): Manandafy Mahery Lanto, ianao dia mavitrika tokoa amin’ny fiakarana Don-dresaka. Inona no azo ambara amin’izao taombaovao izao?

Manandafy Mahery Lanto (MML): « Dia mirary soa ho an’ny vahoaka malagasy manerana an’i Madagasikara. Ny zavatra azo ambara angamba dia mbola betsaka ny sehatra azo trandrahana amin’ity taona 2017 ity. Dia mila “optimism” ilay izy. Ary aoka isika tsy hanaratsy fotsiny. Satria marina fa mety ratsy ny zavatra miseho, fa mba hanatsara, mba asiana “optimism” ilay fiainam-pirenena. Fa raha tsy izany isika dia hilentika eto foana”

DM: Ianao ve mpandinika fiarahamonina sa mpanao politika? Iza amin’izay roa izay?

MML: “Tsy hay! Izay fandraisan’ny olona azy! Inona moa no azoko tenenina ankoatra izay? Izay fandraisan’ny olona azy. Rehefa hoy ny olona hoe manao politika dia manao politika. Raha hoy ny olona hoe manao hatsikana dia manao hatsikana. Raha hoy ny olona hoe mandinika politika dia mandinika politika. Aleo ny olona no hijery an’izany.”

DM: Ianao manokana ve manana eritreritra hitarika ny antoko MFM any aoriana any?

MML: “Ny antoko MFM dia tsy lova fa fotokevitra. Dia ny asa atao ao anatiny no hitsarana azy. Mbola eo izao ny Sekretera Jeneraly Rakotovozaha Olivier. Mbola eo izao ny PN Manandafy Rakotonirina. Aleo izy hanao ny asany.”

Anterivava nataon-dRazaka Oliva

 

 


CARTE GRISE BIOMETRIQUE : Nahemotra amin’ny faran’ny volana martsa 2017.


Nahemotra ny faran’ny volana martsa 2017 ny fanovana ireo « carte grise » teo aloha ho « carte grise biometrique ». Nandray izao fanapahan-kevitra izao ny minisitry ny atitany sady praiministra lehiben’ny governemanta.

Anterivava : RAJAONARISON Charli Hyacinthe

« Manodidina 130.000 ny « carte grise biometrique» na 65% no efa vita ankehitriny », hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny foibe mpanome laharan’ny fiara etsy Ambohidahy, RAJAONARISON Charli Hyacinthe. chef-cimNoho ny filaharana be sy ny fahitan’ny tomponandraikitra fa tsy tratra ny fotoana faran’ny volana desambra 2016 hanovan’izy ireo no nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. Raha ny tombana, ho vita amin’ny volana febroary 2017 ny fanovana ireo ambony ireo. « Manentana ny olona mba tsy hiandry ny farany vao hanova fa izay no antony izao filaharam-be izao », hoy izy. Nanambara, ihany koa, izy fa tsy misy mpiasan’ny foibe mpanome laharan’ny fiara mijoro any ivelany kanefa tsy lavina ny fisian’ ireo mpisandoka. Miara-miasa amin’ny polisy izy ireo hiadiana amin’ireo mpanao ratsy ireo. Nanentana izy mba tsy handoa vola any ivelany fa efa misy ny « guichet unique » hanaovana izany. « Tsy maintsy ny tompony ihany no manova ny taratasy famantarana ny fiara fa rehefa tena tsy afaka ny tompony dia manao fahazoan-dalana ( procuration ) ary vita firaketana an-tsoratra ( enregistré ).
Nirina R.

HORONAN-TSARY


DREAM IN TV : Noël en fête


La salle des pas perdus de l’AKOOR route digue s’avère exiguë pour contenir les enfants et parents ayant assisté au tirage au sort effectué par l’équipe de Dream in TV dirigé par Mihantavola, la célèbre animatrice de cette festivité de la Nativité dénommée « Noël en fête » proposée au grand public par Dream in TV. C’était l’après-midi du vendredi. Continuer la lecture


FOCUS DEVELOPMENT: Araraotina ireo tsy manan-tsata.


Tsy manan-tsata, resaka tsy faheno kanefa misy eto Madagasikara. Mpiavy avokoa no niforonan’ny mponina teto. Mbola nitohy izany taty aoriana ka betsaka amin’izy ireo no niteraka teto an-toerana. Mijaly sy mahantra anefa ireo taranaka ireo satria tsy manan-jo ho olom-pirenena Malagasy vokatry ny lalana”. Iharan’ny fanararaotana mihitsy.
Izany indrindra no nahatonga ny Focus Development nanatontosa tetikasa “Gasy Jiaby” natokana ho an’ny “apatride” na ny tsy fananan-tsata. Continuer la lecture