Socio-eco

« MAISON DIGITALE » FIANARANTSOA : Vehivavy maro hahazo tombontsoa


Novatsian’ny fikambanana « orange Solidarité » fitaovana nomerika ahitana « tablettes » 10,  « serveur Raspberry » iray, « imprimante » iray, « vidéo projecteur » iray, « clés USB »  ary  « ordinateurs portables » dimy ny « maison Digitale pour les Femmes »  ao Isaha Fianarantsoa. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny fanokanana ny ivon-toerana tamin’ny 21 martsa 2018 ireo fitaovana ireo. Ho fanampiana ny vehivavy eo amin’ny tontolon’ny asa ny ivon-toerana « maison digitale pour les femmes ». Hampianatra ny vehivavy hahay hifehy ny fomba fampiasana ny fitaovana nomerika ity ivon-toerana ity. Hanome fiofanana momba ny rindram-baiko ilaina amin’ny fitantanana ara-bola ihany koa

Nanomboka ny taona 2015 ny « orange Solidarité » no nanamboatra « maison digitale pour les femmes ». Ankehitriny, 17 ny isan’ny ivon-toerana manerana an’i Madagasikara.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *