politique

KANDIDA ELIANA BEZAZA: Hiverina ny politikan’ny kibo


Nambaran’i Eliana Bezaza, sekretera nasionalin’ny antoko politika PSD tamin’ny fomba ofisialy ny 29 martsa 2018 fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena taona 2018 ny tenany.Izy no natolotry ny antoko “Parti Social Démocrate” hanatevin-daharana ireo kandida hilatsaka ho fidiana. Foto-kevitra hijoroan’ny antoko PSD na “Pisodia” ny fanomezana lanja ny sosialim-bahoaka. “Tahaka nataon’ny Filohan’ny Repoblika voalohany, Philibert Tsiranana, hamerina indray ny politikan’ny kibo aho rehefa tonga eo amin’ny fitondrana”, hoy i Eliana Bezaza. Malagasy voky aloha no laharam-pamehana voalohany. Malagasy salama ny faharoa ary Malagasy mahay raha, vonona hisahana ny Tanindrazana ny fahatelo. Ireo no hevitra entin’ny antoko PSD raha lany soamantsara ny kandida atolony.

Fitondran-dreny

Zafikelin’i tompokolahy Philibert Tsiranana i Eliana Bezaza. Zanak’i Bezaza Jean Ernest sy Julienne Tsiranana. Manam-bady ary manan-janaka efatra mianadahy. Mpandraharaha no ahafantaran’ny besinimaro azy. Amin’ny maha reny azy no hitondrany firenena raha lany filoham-pirenena izy. “Ny reny mitady ny sakafo ho an’ny zanany raha tsy mihinana, mitady ny fomba rehetra hitsaboana azy raha marary izy…Torak’izany ihany koa ny fomba hitondrako ny firenena. Hanampy ny vahoaka mba ho voky, ho salama, hiasa…”, hoy i Eliana Bezaza.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *