Socio-eco

FANAOVANA FACEBOOK: Mampiakatra tosi-dra


Raha ny antitra manodidina ny 50 taona no miakatra no tena tratran’ny fiakaran’ny tosi-dra, efa mpahazo ny tanora ihany koa izany ankehitriny. Noho ny filalaovana finday sy fijanonana eo anoloan’ny solosaina maharitra ela no antony mahatonga izany. Ao anatin’izany ny fanaovana facebook, filalaovana “jeux video”. Hany ka tanora vao 18 taona dia efa miakatra tosi-dra sahady. Eo ihany koa ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana ka miteraka fahatavezana diso tafahoatra. Araka ny fanazavan’ny dokotera Telina Randimbiharivao miasa ao amin’ny sampandraharaha mitsabo ny aretin’ny fo ao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana, anisan’ny mampiakatra tosi-dra ny fahatavezana diso tafahoatra.
Tsy aretina ny fiakaran’ny tosi-dra fa toe-batana. Ny fanaovana fanatanjahantena 30 minitra isan’andro ihany no vahaolana voalohany hisorohana izany. “Tsy voatery mihazakazaka no atao hoe fanatanjahantena fa n any fanaovana raharaha ao an-trano aza dia efa mety”, hoy ny dokotera Telina Randimbiharivao. Toro-hevitra nomeny ihany koa ny fihinana voankazo sy legioma. “Aleo misoroka toy izay mitsabo” fa mety handaniana volabe hatrany amin’ny 10 tapitrisa Ariary ny fitsaboana ny fiakaran’ny tosi-dra.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *