Socio-eco

SOLOMBAVAMBAHOAKA « VIETNAMIEN »: Ampiharina eto Madagasikara ny famokarana vary avo lenta


Nifampidinika tamin’ireo solontenan’ny solombavambahoaka an’i Madagasikara momba ny fampandrosoana ny firenena ny delegasiona notarihin’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Phung Quoc Hien avy any « Vietnam ». Ho fanamafisana ny firahalahian’ny fanjakana Malagasy ny « Vietnamien » no tanjona tamin’ity fihaonana arak’asa ity. Nijery ny sehatra ahafahan’ny firenena roa tonta miara-miasa niaraka tamin’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena miadidy ny faritra Antsiranana, Freddie Mahazoasy, ny solombavambahoaka Harijaona Randriamalala, Luc Ratsimbazafy ity delegasiona ity ny 26 martsa 2018 tao amin’ny Carlton Anosy. “Nitady ny fomba hiara-miasa hampandrosoana an’i Madagasikara no anton-dian’ireo andiana solombavambahoaka avy any “Vietnam” ireo. Vonona ny hizara ny traikefany momba ny famokarana vary izy ireo ka ny teknikam-pambolena avo lenta no ampiasaina amin’izany”, hoy i Freddie Mahazoasy. Eo ihany koa ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny indostria. Noho izany, maniry ny hanatanterahina loa-bary an-dasy ara-toe-karena ireto vahiny ireto.
Taorian’ny fihaonana arak’asa niarahan’ny roa tonta, nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny ministry ny raharaham-bahiny, Henry Rabary- Njaka ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena Phung Quoc Hien avy any « Vietnam » sy ireo solombavambahoaka niaraka taminy.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *