Catégorie Actus
UNE MARINE PUISSANTE POUR MADAGASCAR ? L’Amiral Rakotoarisoa livre son point de vue
Le Vice-amiral Marie Jean Lucien Rakotoarisoa, Secrétaire général du Ministère de la Défense Nationale, est convaincu que rien ne prouve que la colonisation ne puisse pas revenir. La Grande île a perdu sa souveraineté en 1896 faute de marine puissante. Les colonisateurs étaient venus par la mer…Interview
JCI ANTANANARIVO: Hitohy ny asa ho an’ny garabola
Efa fantatra sahady ny birao vaovao hitarika ny JCI (jeune chambre internationale) eto Antananarivo amin’ny taona 2019. Notanterahina ny 15 desambra 2018 ny fifidianana ny filoha mpitarika, ny filoha lefitra ary ny filoha lefitra mpanatanteraka. Continuer la lecture
« FOND DE JEUNE NATIONALE » : Manohana ny firenena
Fikambanana manana ny maha izy azy no mivondrona ao anatin’ny FJN (fond de jeune nationale). Nijro tamin’ny fomba ofisialy ny 14 desambra 2018 ity fikambanana ity. Continuer la lecture
RAHARAHA MBOLA RAJAONAH: Ahiana ho tonga any amin’ny fisamborana
Mihenjana amin’ny raharaha momban’i Mbola Rajaonah ny Bianco. Ny 28 Novambra 2018 lasa teo no naharay ny fampiantsoana azy ho eny amin’ny « Birao mahaleotena mpirenena mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly » ( Bianco) ny 12 Desambra 2018 lasa teo izy. Noho ny tsy maha eto Antananarivo azy anefa dia nangataka ny hanaovana ny famotorana azy amin’ny 20 Desambra 2018 ny mpiaro an’i Mbola Rajaonah. « Nivezivezy teny amin’ny bianco hatrany izahay teo anelanelan’ireo fotoana ireo nitondra ny taratasy fampahafantarana ny tsy fahatratraran’i Mbola Rajaoanah ny fotoana hanaovana ny famotorana. Nampahafantarina azy ireo fa tsy ho tonga izy noho ny toetr’andro ratsy sy ny asany. Izay no antony nangatahanay ny fanemorana ny famotorana azy », hoy ny mpisolo vava azy, Eric Rafidison. Ho tonga any amin’ny fisamborana azy ny raharaha raha mitohy izao fihenjanan’ny bianco izao. Nitabataba mafy sady nampiseho fahatezerana tamin’ireto mpisolo vava ireto ny Tale jeneralin’ny Bianco, Jean Louis Andriamifidy raha nifanena azy ireo teny an-dalatsara. Tsy dia fahita izany « police judiciaire » mitabataba ny mpisolo vava izay hitondra fanazavana, hoy hatrany ireto mpisolo vava azy ireto.
Antonta-taratasy
Mahagaga ny fahasahian’ny tale jeneralin’ny biaco milaza ampahibemaso milaza fa misy ny « vesatra » anenjehana an’i Mbola Rajaonah kanefa tsy mbola nandalo famotorana akory izy, hoy ny mpisolo vava azy. Tsy voahaja noho izany ny tsiambaratelon’ny famotorana. Rehefa dinihana ireo fihetsika ataony ireo izao dia mipetraka ao amin’ireto mpisolo vava ireto ny fanontaniana hoe, nahoana no atao tery vay manta toy izao ity raharaha ity.
Tsy nomena ny mpisolo vava azy ny antonta-taratasy momban’ny antony izao fampiantsona izao raha tsy ny andron’ny 12 Desambra 2018 hanaovana ny famotorana an’i Mbola Rajaonah. Nomarihan’izy ireo fa efa nanomboka ny fandraisana ny fampiatsona azy no nangataka izany ny mpisolo vava azy kanefa tsy nomena izany. Gaga anefa ireto mpisolo vava ireto fa ny antonta-taratasy efa vita famotorana ka efa lasa eny amin’ny fitsarana ihany izao hanaovana famotorana azy izao indray. Raha ny tokony ho izy anefa tsy azon’ny police judiciaire atao intsony ny manao famotorana indray rehefa lasa eny amin’ny fitsarana ny raharaha, hoy ny mpisolo vava. Azo atao ihany anefa ny hanatanteraka zavatra ao anatin’ny antontaratasy izany rehefa ny fitsarana no maniraka ny police judiciaire hanao izany.
Nomarihan’izy ireo fa antonta-taratasy avy amin’ny « Sampandraharaha iadiana amin’ny famotsim-bola » (Samifin) ny 04 Mai 2018 ihany ity raharaha ity.
Nirina R.
OLOM-PIRENENA: Manahy ny hiverenan’ny faha-mpanjaka
Iankinan’ny safidin’ny vahoaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny valin-tenenin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC). Continuer la lecture
MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Ho any Paris ny mpilatro mendrika indrindra
In-droa isan-taona ny “Madagascar fashion week Océan Indien”. Tonga indray ity ny andiany faharoa ho amin’ity taona 2018 ity. Continuer la lecture
MINISTRY NY MPONINA: « Ambadika politika ny grevin’ny mpiasa »
Ora vitsy taorian’ny fitokonan’ny sendika ny mpiasan’ny ministeran’ny mponina ny 13 desambra 2018, tonga namonjy ny biraony ny ministra Irmah Naharimamy. Continuer la lecture
MPIASAN’NY MINISTERAN’NY MPONINA: Nilaozan-tsakaiza
« Tsy latsaky ny in-dimy no nangataka fihaonana tamin’ny ministra izahay fa tsy nisy valiny izany. Fotoana farany nialohan’izao hetsika izao, mbola nangataka fifampiresahana saingy nilaza ny sekretera jeneraly fa tsy manana fotoana hiresahana amin’ny mpiasa ny ministra fa manomana ny diany any an-dafy”, hoy ny filoha lefitry ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny ministeran’ny mponina, Toky Razafimamonjy. Continuer la lecture
MINISTERAN’NY FAHASALAMANA: Ny mampirongatra ny kitrotro
Tsy firaharahiana sa fahatahorana? Na dia lafo vidy aza ny vaksiny natokana ho an’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny faha-11 volana dia nomena maimaim-poana izany. Continuer la lecture




















