politique

BILETA TOKANA NIVOAKA TAO AMBOHIPO : « Migadra izay nanao izany »


Efa misy olona ahiahiana namoaka ireo bileta tokana nivoaka teny amin’ny biraom-pifidianana Ambohipo. Nanazava ny Ceni Madagascar fa ny mpomba an’i Marc Ravalomanana niaraka tamin’ny vadin-tany no nanatitra ireo « carnet » miisa valo misy ireo bileta tokana tamin’ny 10 ora sasany alina tety amin’ny Ceni Alarobia. Raha ny tokony ho izy anefa dia mandritra ny fisokafan’ny biraom-pifidianana amin’ny  6 ora maraina vao tokony hisokatra ireo fitoeran’ireo bileta tokana ireo. Noho izany, fandikan-dalàna tsotr’izao ny famoahana ireo bileta tokana teny amin’ny biraom-pifidianana Ambohipo araka ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni.  Handray fepetra hentitra ry zareo ka ao anatin’izany ny fametrahana fitoriana eny amin’ ny fitsarana. Marihina fa efa nisy solony ireo  bileta tokana  mba hampizotra ara-dalàna ny fifidianana eny Ambohipo ary lasa “pièce à conviction” ireo bileta nivoaka. Nanamafy ny filohan’ny Ceni fa migadra avokoa izay olona manao fandikan-dalàna amin’izao fifidianana izao. Marihina fa misy bileta 50 ny “carnet” iray. Ho ataon’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ho fitoriana azo raisina fa tsy mitombona indray ve ity tranga ity?

Lynda A.


One comment on “BILETA TOKANA NIVOAKA TAO AMBOHIPO : « Migadra izay nanao izany »

  1. Pingback: BILETA TOKANA NIVOAKA TAO AMBOHIPO : « Migadra izay nanao izany » - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *