Sport

GASY FOOT: Raikitra ny tournoi « the best fans »


Lalao maka tahaka ny champion’s league ny the best fans. Miahy ny tournoi « the best fans » andiany faharoa ny mpilalao baolina kitra kalaza, Abel Anicet Andriamanantena. « Manana tanjona hampiakatra ny baolina kitra malagasy ny the best fans. Te hanampy ny baolina kitra malagasy ihany koa aho. Izany no antony ny fanohanako », hoy i Abel Anicet. Lalao natao hifandonan’ireo tanora mpankafy baolina kitra sy mpankafy ny champion’s league izy ity. « Fanomezana sehatra ho an’ny tanora tia baolina kitra na mahay na tsia ny the best fans. Fanomezana vintana ho an’ireo tsy mbola any anaty klioba ihany koa», hoy ny filoha mpanorina ny plateforme Gasy foot, Cédric Djavojotombo. Ny 23 ka hatramin’ny 30 desambra 2018 eny amin’ny « terrain synthétique » Andohalo ny lalao the best fans.

« Manatanteraka ny nofinofin’ireo tanora mpitia baolina kitra sy mpanaraka champion’s league izahay satria ahafahan’izy ireo miaina ny champion’s league fa tsy jerena amin’ny televiziona fotsiny ny the bets fans », hoy hatrany i Cédric.  Misalotra ny anaran’ireo ekipa mifaninana ao amin’ny champion’s league izay hankafiziny ny ekipa tsirairay mandray anjara amin’ny the best fans. Fepetra takiana ihany koa ny fisalorana fanamiana ofisialy an’ireo ekipa mandray anjara amin’ny champion’s league.

Ankoatra izany, natokana ho an’ny mpitia baolina kitra 17 taona miakatra ny the best fans. Nomarihan’ny mpikarakara fa tsy afaka mandray anjara kosa ireo mpilalao avy amin’ny diviziona voalohany. Afaka milalao kosa ny avy ao amin’ny diviziona faharoa. Enina ny mpilalao eny an-kianja ary 15 minitra tsy miato ny fotoam-pilalaovana amin’ny fifanintsanana. 10 minitra in-droa kosa ny faharetan’ny lalao any amin’ny dingana manaraka.

32 ny ekipa mpandray anjara amin’ity andiany faharoa ity. Mitovy amin’ny amboara an’ny champion’s league miampy « chèque » ary fanomezana avy any amin’ny mpiara-miombona antoka ny loka ho zaraina. Marihina fa plateforme mizara vaovao momba ny baolina kitra eto an-toerana sy any ivelany ao amin’ny pejy facebook ny Gasy foot. Miezaka mitondra zava-baovao ho an’ny kitra ihany koa ity plateforme efa herintaona nijoroana ity.

Lynda A.


One comment on “GASY FOOT: Raikitra ny tournoi « the best fans »

  1. Pingback: GASY FOOT: Raikitra ny tournoi « the best fans » - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *