politique

BIRAOM-PIFIDIANANA EPP IVATO VILLAGE : Tsy afaka nifidy ilay olona faharoa


Nahitàna tranga hafa kely teny amin’ny biraom-pifidianana EPP Ivato Village ny maraina 19 desambra 2018. Tsy afaka nifidy ilay olona faharoa satria efa nisy olona nitovy anarana taminy efa avy nifidy teo alohany. Araka fanazavan’ny filoha lefitry ny “comité électorale communale” (CEC), Hoby  tao amin’ny kaominina Ivato fa tsy nijery tsara ny mpiandraikitra ny lisi-pifidianana tao amin’ny biraom-pifidianana satria mitovy ny anaran’ireo olona saingy samy hafa ny laharan’ny kara-panondro. “ Hany ka lasa noeritreretina ho kara-panondro hosoka  ny an’ilay faharoa”.

Tsy ampy ny efitrano

Tranga faharoa hita teny amin’ny biraom-pifidianana EPP Ivato Village ihany koa ny tsy fahampian’ny biraom-pifidianana. “Efitrano telo lasa natao biraom-pifidianana enina kanefa ilay efitra kelikely”, hoy hatrany Hoby.  Nilaza anefa izy fa enim-bolana mialoha no efa niresaka tamin’ny tomponandraikitry ny EPP ny CEC enim-bolana mialohan’izao fifidianana izao noho ny fampitomboana ny isan’ny biraom-pifidianana. Efa fantatra tamin’izany fa ampy ny  efitrano hanaovana biraom-pifidianana tao amin’ny EPP Ivato Village. “Tamin’ny ora farany anefa dia efitra telo ihany no nomen’ny tomponandraikitry ny EPP. Tokony niteny mialoha ny tomponandraikitry ny sekolim-panjakana fa lasa tery ny efitrano, voafetra ny olona miditra”, hoy i Hoby. Raha ny hita teny an-toerana anefa dia misy efitrano ambony rihana ao amin’ny EPP Ivato village afaka ampiasaina.

Lynda A.


One comment on “BIRAOM-PIFIDIANANA EPP IVATO VILLAGE : Tsy afaka nifidy ilay olona faharoa

  1. Pingback: BIRAOM-PIFIDIANANA EPP IVATO VILLAGE : Tsy afaka nifidy ilay olona faharoa - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *