Distrika telo ao amin’ny faritra Analamanga indray nahazo fampitaovana ny 18 desambra 2018. Andiany faha-efatra ity fampitaovana an’ireo distrika an’Andramasina, Avaradrano ary Manjakandriana. Toy ny natao teo aloha, tafo fanitso, simenitra, dabilio no natolotra ireo ben’ny tanàna ao amin’ireo distrika telo ireo. “Araka ny fangatahan’ireo kaominina, hanamboarana tsy hanatsarana ny foto-drafitr’asa fiatrehana ny fahavaratra ireo fampitaovana”, hoy ny tale kabinetra lefitry ny faritra Analamanga, Michaela Razafison.
Nambaran’ny ben’ny tanàna ny kaominina Ambohimiadana, distrikan’Andramasina, Celestin Ranaivomanana fa hanatanterahana sy hanatsarana ireo foto-drafitr’asa toy ny tetezana, sekoly ireo fitaovana nomen’ny faritra Analamanga. “Ho an’ny kaominina Alarobia, distrika Manjakandriana dia hanatsarana ny toeram-pitsaboana (CSBII) ny fanampiana avy any amin’ny faritra”, hoy ny ben’ny tanàna Antoine Ranaivomanana.
Lynda A.
Pingback: FAMPITAOVANA HIATREHANA NY FAHAVARATRA : Niroso tamin’ny andiany faha-efatra ny Analamanga - ewa.mg