Socio-eco

BNGRC: Manatevin-daharana amin’ny fampihenana ny fiantraikan’ny loza ny BAD


Vinavinaina ho 200 tapitrisa Ariary isan-taona ny fahavoazana ara-toekarena sy ara-tsosialy ateraky ny loza voajanahary toy ny rivo-doza, haintany, andiam-balala, tondra-drano sy ny maro hafa eto Madagasikara. Ho fampihenana izany dia nanolotra fitaovana ho an’ny Biraom-pirenena misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy loza (BNGRC), ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD), omaly 29 oktobra 2019 teny Antanimora. Anisan’ireo fitaovana natolotra tamin’ny fomba ofisialy  ny fiara tsy mataho-dalana, motocross dimy, fitaovana ara-informatika, fitaovana iadiana amin’ny haintrano ary drone. Eo ihany koa ny fampitaovana ara-teknika ho an’ny « centres de secours d’urgence et de sauvetages et des centres opérationnels de protection civile » toy ny vedettes, moteurs hors-bord, motopompes d’épuisement, motopompes incendie, gilets de sauvetage, groupes électrogène… Efatra miliara Ariary ny tetibidin’ireto fanomezana ireto. Araka ny fanazavan’ny Sekretera Mpanatanteraky ny BNGRC, Kolonely Andriakaja Elack fa ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa ho fanatsarana ny paikady mahomby amin’ny fampihenana ny tandidon-doza sy ny loza ireto fampitaovana ireto. Nanomboka ny taona 2017  io tetikasa io ary roa taona ny faharetany. Faritra marefo amin’ny loza voajanahary no  mpahazo tombontsoa amin’izany dia Vatovavy, Menabe, Analanjirofo, Sofia, Atsimo Andrefana ary Analamanga.

Nanome voninahitra ny fotoana ny Praiministra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, notronin’ny mpikambana sasany ao amin’ny governemanta. Nambaran’ny Praiministra fa anisan’ireo laharam-pahamehana eo amin’ny sehatry ny sosialy, ao anatin’ny teti-pivoaran’ny firenena (Plan Emergence Madagascar), ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza. Vao tsy ela ihany koa izay no nankatoavana ny politikam-pirenena itantanana ny tandindon-doza sy ny loza. Ary novaina, amin’ny ankapobeny, ny firafitr’ireo sehatra mahakasika ny fitantanana ny loza, toy ny BNGRC sy ny “Cellule de Prevention et Gestion des Urgences-CPGU”, izay ratsa-mangaika ato amin’ny Fiadidian’ny Praiministra, mba hahafahana mandrindra tsaratsara kokoa ny zavatra rehetra atao ary indrindra mba hahafahantsika mandrefy ny fiantraikan’ny asa atao amin’ny fitantanana ireo tranga. An-dàlam-pametrahana hoy hatrany ny lehiben’ny Governemanta, ny fitaovana iray lehibe, dia ny “fiantohana” amin’ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza; mba hahafahantsika miatrika sy mamerina amin’ny tokony ho izy ny zavatra simba, rehefa misy ireny loza voajanahary mahery vaika ireny.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *