Socio-eco

SECES ANTANANARIVO: Mitokona tsy fidiny


Taorian’ny fivoriana nataon’ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra androany faha-29 oktobra 2019, tapaka ny hevitra fa hiroso amin’ny fitokonana izy ireo. Tamin’ny iray ora tolakandro dia nidina teo amin’ny Esplanade Ankatso nibahana ny vavahady fidirana ireto mpikambana  ao amin’ny SECES ireto ary nanao fanambarana. “Fametrahana  amin’ny toerana ambony ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no mahatonga ny mpikambana ato amin’ny SECES hiroso tsy fidiny amin’izany fitokonana izany satria fanaovana tsinontsinona  ny vahoaka malagasy mianatra ety amin’ny oniversite ny tsy fijerena ireto mpampianatra mpikaroka ireto”, hoy ny Filoha lefitry ny SECES sampana Antananarivo, Randriamialinoro Faliarivony.

Tsiahivina fa nitsahatra ny fitokonan’ny SECES teny amin’ny oniversite Antananarivo tamin’ny volana aprily vokatry ny fifampidinihana niaraka tamin’ny Praiministra Ntsay Christian teny Mahazoarivo. “Toe-javatra fito no nifanarahana  ka ao anatin’ny “reclassement” ny mpampianatra mpikaroka, ny fandoavana ny tambim-pikarohana sy fanadihadiana lalina ho an’ireo mpampianatra mpikaroka misotro ronono, ny  fijrena ireo nangataka “maintien en activité” na “dérogation spéciale », ny fanatanterahana ny lalàna sy didim-panjakana mifehy ny fampianarana ambony izay hitantsika fa tokony hohatsaraina amin’izao fotoana izao. Anisany izany ihany koa ny heure complémentaire andiany faharoa taona 2016 sy 2017 ary mbola tsy nivaha izany hatramin’izao raha toa ka efa nahazo ny anjarany ny oniversite miankina amin’ny fanjakana any amin’ny faritany”, hoy Randriamialinoro Faliarivony.  Nohamafisiny  fa  napetraka tamin’io fihaonana io ny fitakiana  mila tanterahina maika  sy ireo afaka miandry saingy na ny laharam-pamehana aza mbola tsy vita. Noho izany, hijanona ny fitokonana rehefa misy ny vahaolana.

Lynda  A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *