Socio-eco

FONDATION TELMA- PSHP: Mifanome tanana amin’ny fanampiana ny maha olona


Ny any Atsimo mijaly vokatry ny tsy fahampian’ny rano, ny any Avaratra misedra olana rehefa be loatra ny orana. Taorian’ny teny Antaninarenina, mampiantrano ny fampirantiana an-tsary mampiseho ny olana sedrain’ireo mponina any Atsimo sy ny any Avaratra vokatry ny loza voanjanahary eny amin’ny Showroom Jovena, Galaxy Andraharo ny Fondation Telma sy vovonan’ny sehatra tsy miankina amin’ny lafiny maha olona (PSHP). Ao anatin’ny tetikasa “réveillons l’humani-terrien en nous” entin’ny ONG Medair manamarika ny faha-30 taonany ity fampirantiana an-tsary mitety vohitra (roadshow photo) ity. Ny sary nalain’i Pierrot Men, masoivohon’ny tetikasa no haseho eny an-toerana. Natao  hanairana sy hanentanana ny sehatra tsy miankina  mba handray anjara amin’ny fanampiana ireo mponina any Atsimo sy Avaratra ity fampirantiana ity. Tsy misakana ny daholobe ho avy anefa izany. “Manainga antsika ho tonga, hijery ny zavatra mitranga amin’ny mpiara-belona any amin’ny tsy taka-maso any”, hoy ny tomponandraikitry ny maha olona avy amin’ny Fondation Telma, Razafindrakoto Zo nandritra fanokafana ny fampirantiana omaly 28 oktobra 2019 ary tsy hifarana raha tsy ny 7 novambra 2019.

 Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra, manampy ny maha olona amin’ireo firenena iajadian’ny loza voanjanahary  ny Medair. Ho an’i Madagasikara dia ny faritra Atsimo sy Avaratra no tena iasany. Misy ny tetikasa iarahany manatanteraka amin’ny Fondation Telma sy PSHP toy ny fanamboarana vovon-drano  sy fanomezana rano fisotro madio any Atsimo. Fanamafisana ny fiomanana sy fiatrehana ny loza amin’ny alalan’ny fampitaovana isan-karazany kosa ny fiarahamiasan’izy ireo any Avaratra. Ankoatra izany, manana vina hanamboatra vovon-drano ao amin’ny tanàna ipetrahan’i Tsiveregna any amin’ny faritra Atsimo tetikasa “réveillons l’humani-terrien en nous” ka misy ny laharana Mvola 0346422226 azo andefasana izay voatsirambin’ny tanana  hanampiana ity tovovavy kely 7 taona izay ranom-potaka no sotroiny amin’izao fotoana izao.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *