Socio-eco

HAONA FI: Voaramaso ny fahasalamana, mahazo asa izay mitady, vita ho azy ny fiantsenana


Ankoatra ny asan’Andriamanitra, laharam-pamehana ho an’ny fiangonana FJKM ny sosialim-bahoaka. Mandritra ny hetsika Haona Fi andiany faharoa dia hisy ny fitiliana aretina maro toy ny VIH/SIDA, aretin’aty, diabeta, maso, homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza  sy fanalàna nify ary fijerena ny tosi-drà. Noho ny fiarahamiasa amin’ireo mpanohana ny hetsika dia tolotr’asa marobe no  hita mandritra efatr’andro. Handravaka ny fitoriana ny filazantsara mandritra ny rodorodo Haona Fi ihany koa ny seho sehatra isan-karazany izay handraisan’ireo mpanakanto ara-pilazantsara anjara, ny fijoroana vavolombelona, ny fifaninanana soratra masina sy fahalalana ankapobeny. Amin’ny hetsika ara-barotra ny Haona Fi ihany koa dia trano heva 150 hampiranty sy hivarotra karazan’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ho fanampin’izay dia hanokana toeram-pilalaovana ho an’ny  ankizy ny mpikarakara. Ny 30, 31 oktobra 2019 sy ny 1, 2 Novambra 2019 eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka no hanatanterahana izany rehetra izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *