politique

RAJERISON NICOLE VERONIQUE: Mitovy fomba fijery amin’ny kandida Andriantsitohaina Naina


Lavitry ny fandrosoana i Iarivo ka mila avadika ny pejy. « Tsy hay hafenina ny tsy fahaizan’ ny mpitondra mitantana ny tanan’Antananarivo Renivohitra ka lasa mahazo vahana ny gaboraraka, miha maloto ny tanàna, tsy tan-dalàna intsony ny olona sy maro hafa », hoy ny filohan’ny antoko politika URRM ny sabotsy 26 oktobra 2019 teny Behoririka. Nilaza izy fa tsy maintsy havadika ny pejy kanefa mila olona manana paikady tsara rafitra araka ny filàna, vonona sy sahy. Rehefa nandinika sy namakafaka lalina Rajerison Nicole Véronique sy ny mpiara-miasa aminy dia nanapa-kevitra hanolo-tanana ny kandida ho ben’ny tanàna an’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nitovy rahateo ny fomba fijery enti-manarina ity Renivohitra ity, hoy izy. Manentana ny ekipa manerana ny fokontany, ireo fikambanana maro samihafa niara-niasa taminy sy mbola miara-miasa aminy hatramin’izao ny tenany handray ny andraikitra feno amin’ny sehatra misy azy avy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *