La 3e édition du « Donakafom-piderana » suivie de « Tsakotsakom-pifaliana » aura bel et bien lieu cette année. Continuer la lecture
Archives mensuelles octobre 2019
Fampandrosoana isam-paritra : Mila politikam-pirenena tena mifandanja isika
Nifarana androany 18 oktobra 2019 ny atrikasa fakan-kevitra teo amin’ny famolavolana ny politikam-pirenena ho fampiroborobona ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana teto Mahajanga, izay nandraisan’ny faritra Boeny, Betsiboka, Diana sy Sava ary Sofia anjara. Continuer la lecture
TOSIK’ART : Mpifaninana avy any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany no nandrombaka ny 20 tapitrisa Ariary
Nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana “Tosik’Art” nokarakarain’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny tetikasa “Managnano”. Continuer la lecture
Lehiben’ny Faritra mpisolo toerana ao Boeny : Tena ilaintsika ny fakan-kevitra ho an’ny politikam-pirenena ho fampandrosoana
Atao eto an-dRenivohitry ny Faritra Boeny eto Mahajanga nanomboka ny Alatsinainy 14 Oktobra 2019 hatramin’ny Zoma 18 Oktobra 2019 ho avy izao ny fakan-kevitra iray ho fametrahana ny politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana. Raisin-dry zareo eo anivon’ny PAGE/GIZ an-tanana ny fikarakarana ity fakan-kevitra ity…, ary tohanan’ny vondrona eraopeana sy ny BMZ.
Tombony lehibe ho an‘ ny faritra Boeny ny hanaovana ny atrikasa momba ny fakan-kevitra amin’ny fametrahana ny politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana ny foto-drafidrasa sy ny fampitaovana (politique nationale de développement des infrastructures et équipements), hoy ny lehiben’ny Faritra Boeny mpisolo toerana Bazezy Vonombe Clovela Roslan. Continuer la lecture
KANDIDA JIMMY RANDRIANTSOA: Tsy miandry ho ben’ny tanàn’Alasora vao miasa ho an’ny tantsaha
Tao anatin’ny telo taona, nijaly rano ny tantsaha ao amin’ny fokontany Ambohimarina, kaominina Alasora noho ny fahasimban’ny tohandrano ao Andriambato. “Fampanantenana poakaty hatramin’izay no nataon’ny mpitondra teo aloha. Na ny vola hanaovana azy aza mbola any an-kibon’ny omby”. Continuer la lecture
GSDM-GIZ: Miitatra any amin’ny faritra Boeny ny fampianarana ny ankizy ny “agroécologie”
Efa misy ny teknikam-pambolena hiatrehana ny fahasimban’ny nofon-tany sy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro izay miseho amin’ny alalan’ny tsy fahampian’ny rotsakorana, ny fikorontanan’ny tetiandrom-pambolena sy ny maro hafa. Continuer la lecture
ONG RTM- MENETP: L’accès à une éducation de qualité pour l’inclusion et égalité sera assuré
La vulnérabilité socio-économique d’une partie croissante des familles entrave la scolarisation de leurs enfants, particulièrement les enfants en situation de handicap. Continuer la lecture
FIPARITAHAN’NY LAZA ADINA BAKALOREA: Olona 43 no voasambotra
“Aoka ho samy ho tony”. Efa misy ny fandaminana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena mandritra ny fanomanana ny fanadinana bakaloera “session » faharoa. Na eo amin’ny fiarovana ny toerana natokana handrafetana ny laza adina na ny fitaterana izany manerana ny foibem-panadinana dia hohamafisina ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Continuer la lecture
FANAMPIANA NY MAHA OLONA: Ho haingana kokoa ny famoahana azy eny amin’ny seranan-tsambo
Firenena marefo amin’ny loza voanjanahary sy ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Betsaka ireo olona manome fanampiana ho an’ireo traboina saingy misy amin’izy ireny no mihitsoka ao amin’ny seranan-tsambo satria mifanaraka amin’ny filàna hiatrehana ny voka-dratsin’ny loza voanjanahary akory. Continuer la lecture
FANDRAHARAHANA ARA-TSOSIALY 2019 : Tetikasa Telo tsara indrindra notoloran’ny orange loka
Hiatrika ny famaranana amin’ny « Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et Moyen-Orient (POESAM) atao any Cap Town , Afrika atsimo ny Alarobia 13 Novambra 2019 ao anatin’ny AfricaComAwards ny tetikasa malagasy iray. Continuer la lecture