Socio-eco

SKYLINE NGO: Lasan’i Épistolier ny loka goavana tamin’ny Bright Top III.


Ho fanomezana sehatra ny tanora Malagasy ny fifaninanana Bright Top III. Ny Skyline ONG no mikarakara ity fifaninanana maneho hevitra amin’ny teny anglisy ity. Notanterahina ny sabotsy 26 oktobra 2019 teny amin’ny tranompokonolona Analakely ny dingana famaranana ka i Andriamasy Mamy Lalaina Steeve, fantatra amin’ny solon’anaran hoe: Épistolier no nandrombaka ny laharana voalohany. Mitotaly 10.000.000 Ariary ny loka azony ka tafiditra ao anatin’izany ny fivahinianana mankany Maurice sy fiofanana momba ny leadership.

Nambaran’ny mpikarakara, Rafaramalala Rojo Harimanitra fa tsy ampy ny sehatra ahafahan’ny tanora maneho hevitra. Ho fampiroboroboana ny teny anglisy sy fanomezana sehatra ho azy ireo hizara ny traikefa hananany na hevitra vaovao entina hampivoarana ny firenena no antony namoronana ny fifaninanana. Tsiahivina fa nanomboka ny 5 oktobra 2019 ny fifanintsanana tamin’ny Bright Top III. Tanora 16 taona no miakatra miisa 76 no nandray anjara ka folo tamin’izy ireo no tafita tamin’ny dingan’ny famaranana. Araka fanazavan’ny mpikarakara hatrany fa sahan’asa iray iantsorohan’ny ONG ity fifaninanana ity fa miompana amin’ny fampivoarana ny vehivavy no tena ataony eto Madagasikara.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *