Socio-eco

SALON DE L’ETUDIANT ET DE L’EMPLOI : Misoroka ny fahaverezam-potoana sy vola


25 %-n’ny mpianatra eny amin’ny oniversite no miala an-daharana araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky iraisampirenena. Diso safidy tamin’ny lalam-piofanana no anisany mahatonga izany. Ho fisorohana ny fahaverezam-potoana sy ny vola no namoronan’ny Maison  de la Communication des Universités (MCU), ratsa-mangaikan’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ny « salon de l’étudiant et de l’emploi ». Ny 13 ka hatramin’ny 15 novambra 2019 eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina no hanatanterahina ny hetsika. Nambaran’ny tale jeneralin’ny MCU, Fanjanarivo Simonette Pascaline fa tsy ampy ny torolalana azon’ny mpianatra ka mahatonga azy diso lalana rehefa tonga eny anjerimanontolo. Torak’izay  ihany koa rehefa hitady asa, tsy mifanaraka amin’ny asa tiany atao ny lalam-piofanana norantovina na tsy mifanaraka tsenan’asa. Hany ka rehefa hahazoam-bola dia atao na tsy mifanaraka amin’ny mari-pahaizana ny sampam-piofanana natao aza  izany.

Natao ho an’ny mpianatra manomboka eny amin’ny lisea, efa eny amin’ny oniversite na efa miasa ny « salon de l’étudiant et de l’emploi ». 35 ny isan’ny mpandray anjara izay ahitana sekoly fampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana sy tsy miankina, ivon-toeram-pampiofanana isan-karazany, trano fivarotam-boky…  Ankoatra ny fampirantiana dia hisy ihany koa ny fambelabelaran-kevitra, atao izay atao eny Tahala Rarihasina, hiresahana ny fanamboarana CV sy fanomanana ny adina arak’asa (entretien d’embauche), ny fandraharahana  ary fijoroana vavolombelona momba ny fahombiazana teo amin’ny tontolon’ny asa. Amin’ny maha mpanohana ny hetsika ny Telma dia hizara ny traikefa sy ny lakilen’ny fahombiazana amin’ny sehatry ny asa ny tomponandraikitra avy amin’ity orinasa ity. Mamporisika ny tanora hampiasa ny  tolotra omen’ny Telma  momba « connexion internet » ho an’ny mahasoa fa tsy ny mahafinaritra ihany ny tomponandraikitra misahana ny fiarahamiasa ao amin’ny Telma, Ravelonjato Claudia. Nambarany fa manampy betsaka amin’ny lafiny fianarana sy ny asa ny fikarohana antontam-baovao amin’ny alalan’ny « internet ».

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *