Amin’izao vanim-potoanan’ny fetin’ny Noely izao, fomba fanaon’ny ViMa Woods, sehatra iray ao  amin’ny orinasa « Vision Madagascar »  na ViMa  ny manolotra hazo noely ho an’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA). Isaky ny 8 desambra ny fanolorana izany. Ho mariky ny fitohizan’ny fiarahamiasa eo amin’ny ViMa sy ny CUA izao fomba izao sady hanamafisana ny maha olom-pirenena.
Fomba fanao any amin’ny firenena avy ivelany ihany koa izy ity. Efa hatramin’ny taona 1947,   fomba fanao any « Royaume Uni »  ny fanomezana hazo noely toy  hazo noely  apetraka ao amin’ny tanana an’i « Trafalgar Square »,  isaky ny volana desambra iray manontolo ka hatramin’ny   janoary. Ny tanan-dehiben’i Oslo (Norvège) no manolotra izany.
Manana velaran-tany fambolen-kazo amanaliny ao Analamanja, Moramanga  ny ViMa Woods. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, izy irery ihany no orinasa manana « certficat FSC™ »  amin’ny fanodinana ny hazo eto Madagasikara.
Nirina R.