Archives mensuelles décembre 2017


FAPBM: Faritra arovana 31 nahazo famatsiam-bola.


Vola mitentina 6 miliara Ariary nomen’ny FAPBM hanamafisana ny fiarovana ireo faritra arovana eto Madagasikara. Hahazo tombontsoa amin’izany ny 31 amin’ireo 123.  Fanampiana maharitra ity ataon’ny FAPBM, manampy ara-bola ho an’ny faritra arovana sy ny zava-boahary eto Madagasikara ity satria misy famatsiam-bola foana isan-taona noho ny zana-bola azo avy amin’ny petra-bola atao any amin’ireo banky any ivelany. Continuer la lecture


MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Niteraka fahombiazana ny fahamaroan’ny mpanohana.


Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny federasiona an’ny  atletisma ny Marathon International de Tana (MIT). Nampiray ireo atleta avy amin’ny firenena isan-karazany. Nahazo  tombony  tamin’ny andiany faha-17 ny atleta Malagasy. Nitana ny laharana telo voalohany ny Malagasy tamin’ny hazakazaka tamin’ny halaviran-dalana  42.195 km ho an’ny sokajy lehilahy.  Nisaotra ny mpanohana ny hetsika rehetra ny World Trade Center Tana (WTCT). Continuer la lecture


Atelier onusien sur la CIDPH à Windhoek : Madagascar à l’honneur


L’UNDESA ou Département des Affaires économiques et sociales des Nations Unies, organise un atelier de renforcement de capacité des pays africains pour la mise en œuvre de la Convention Internationale relative aux Droits des Personnes Handicapées. l’UNICEF en Namibie est également responsable de cet atelier international réservé à des associations des personnes handicapées venant de différents pays d’Afrique, et à des représentants d’Etats de quelques pays africains.

Continuer la lecture


WINDHOEK – NAMIBIA : Atrikasa iraisam-pirenena momba ny fahasembanana


Nisokatra ara-pomba ofisialy ny talata 12 desambira teto Windhoek renivohitr’i Namibia ny atrikasa iraisam-pirenena eo ambany fiahian’ny Firenena-Mikambana: fampiofanana momba ny fampiarana ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Teratany afrikana miisa 27 avy amina firenena afrikana 11, miampy ireo tompon’andraikitra mpampiofana avy amin’ny Firenena-Mikambana any New York, sy ny UNICEF avy eto Namibia no vonory eto amin’ny SAFARI HOTELS, miatrika izany hatramin’ny zoma 15 desambra 2017.

Continuer la lecture


OMS : Mamolavola tondro zotra hisorohana ny fiparitahan’ny pesta.


“Mbola mitohy ny ady na dia nandresy tamin’ny fifehezana ny valan’aretina pesta”.  Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny pesta mifindra amin’ny alalan’ny parasy na “bubonique” ny eto Madagasikara. Amin’ny volana aprily 2018 any vao hifarana izany. Ho fanamafisana ny fifehezana sy fisorohana azy ity, nanao jery todika ny asa vita nandritra ny firongatry ny pesta “pulmonaire”  izay nahafaty Malagasy maro ny Fianakaviambe manerantany  ho an’ny fahasalamana (OMS). Continuer la lecture