Sport

MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana.


Am-polony ny orinasa  manohana ny hetsika Marathon International de Tana (MIT). Tao ny efa nanohana ny hetsika teo aloha, tao ihany koa no mbola vaovao. Noho ny fahombiazana tamin’ny andiany 16 nifanesy, manohana hatrany ny MIT ny orinasa CRBC izay orinasa nanamboatra ny “rocade” Andohatapenaka. Handalo eny amin’ny lalan’ny frankofonia Andohatapenaka izany ny   lalao foulées écolos (10km).

 Nanamafy ny fandraisana anjarany ihany koa ny STAR ka  ny zava-pisotro XXL sy Eau Vive no entiny hanohanana ny MIT andiany faha-17. Hiantoka ny fizotran’ny podium kosa ny orinasa Schneider Electric  amin’alalan’ireo fitaovana momba ny herinaratra  mampiavaka azy.

Ankoatra izany, hanamora ny fahatongavan’ireo delegasiona avy Kenya, Ethiopie, Afrika Atsimo ny zotra-piaramanidina  Air Austral, Airlink, Ethopian Airways, Kenya Airways.

Ny 14 sy 15 oktobra 2017 ny MIT andiany manaraka. Manohana lalao Maratoons sy ny Maratoons Land ny SOREDIM, SODEAM, TAF et Socolait mba hampizotra tsara ny lalao natao ho an’ny mpianakavy sy ny ankizy.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *