Auteur R Nirina


MADAGASCAR FASHION WEEK: Fitadiavana lalam-barotra ho an’ny mpamorona lamaody Malagasy.


Efa kely sisa ny toerana ho an’ireo te handray anjara amin’ny fampisehoana ny vokatry ny  asa tanany eo amin’ny sehatry ny lamaody. Ny 09 oktobra 2017 no hifarana ny fisoratana anarana amin’ny “Madagascar Fashion Week Océan Indien” izay ho tontosaina any amin’ny Nosy Sainte-Marie, ny 28 ka hatramin’ny 30 desambra 2017 ho avy izao. Continuer la lecture


FY VARY : Hampivoatra ny teknika fambolem-bary eto Madagasikara.


Nosokafana sy nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy omaly 05 Oktobra 2017 tetsy Antaninarenina ny tetikasa FY VARY « FertilitY sensing and Variety Amelioration for Rice Yield ». Hampivoatra ny teknika fambolem-bary manaraka ny toe-tany arakaraka ireo faritra eto Madagasikara no tanjona.

Faritra mpamokatra vary.

Faritra Vakinankaratra, Analamanga ary Alaotra-Mangoro no anaovana ity tetikasa FY VARY ity. Manomboka amin’ity taona 2017 ka hatramin’ny 2022 ny faharetany. Mitentina 12,7 lavitrisa Ariary ny vola ampiasaina ao anatin’ny izany dimy taona izany. Mifantoka amin’ny fampivoarana ara-teknika fambolem-bary, fampivoarana sy manatsara ny nofon-tany mba hanatsarana ny vokatra vary, fampivoarana ara-teknika ireo masom-boly mifanaraka amin’ny toe-tany anaovana ny tetikasa ary farany, fijerena sy fanaovana tombana ny vokatry ny tetikasa amin’ireo tantsaha.

Fanjakana Malagasy sy Japon.

Tetikasa iarahan’ny fanjakana Malagasy sy ny firenena Japoney ny FY VARY amin’ny fampandrosoana eo amin’ny sehatry ny fambolena. Fanamafisana sy fizarana fahaiza-manao eo amin’ireo mpianatra mpikaroka amin’ny firenena roa tonta ihany koa ny tetikasa. Noho izany, ny Ministera eo amin’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana ( MPAE ), sy Japan International Research Institute for Agricultural Sciences ( JIRCAS ) no mandrindra ny tetikasa. Hiaraha-miasa amin’ny Office National de Nutrition ( ONN ), ny Centre National de la Recherche Appliquée au Développement Rural ( FOFIFA ), ny Laboratoire des Radioisotopes de l’Université d’Antananarivo ( LRI ), ny l’Université de Tokyo ary ny Université d’Yamanashi Eiwa.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


MARATHON INTERNATIONAL DE TANA : Hohamafisina ny fitandroana ny filaminana.


Mihatsara hatrany ny fikarakarana ny Marathon International de Tana (MIT).  Nohatsaraina  ny fitandroana ny filaminana mandritra ny hetsika izay hotontosaina ny 14 sy ny 15 oktobra 2017. « Noho ny fiarahamiasa amina orinasa miasa amin’ny fitandroana ny filaminana, ho rakotra mpiambina avokoa ny toerana hanaovana  hazakazaka, natokana ho an’ny ankizy… », hoy  ny mpikarakara avy ao amin’ny World Trade Center,  Mercedes RATSIRAHONANA. Continuer la lecture