L’information a fait les unes des quotidiens, hier. En effet, des dossiers sensibles auraient été volés au Tribunal d’Anosy par un avocat et un fils d’un politicien au BC. L’on a même parlé du dossier concernant Marc Ravalomanana… Continuer la lecture
Auteur R Nirina
MPAHAY MPANDREFY TANY : Tsy mahasahana an’i Madagasikara.
Niampy 25 indray ireo mpahay mpandrefy tany eto Madagasikara. Nanatanteraka fianianana izy ireo tetsy amin’ny fitsarana Anosy ny 13 Novambra 2017 lasa teo. Na nisy aza ireo mpahay mpandrefy tany vaovao ireo, tsy mahasahana an’i Madagasikara . Tafiditra amin’ny politikam-panjakana ny fanatsarana sy fanavaozana ny sehatry ny fananantany amin’ny fampitomboana ny isan’izy ireo ny tahaka izao. Tanjon’ny fanjakana amin’izany ny fampihavanana ny Malagasy amin’ny taniny.
Mpahay mpandrefy tany 300.
Miezaka ny holafitry ny mpahay mpandrefy tany eto Madagasikara ( OGEM ) mampitombo ny isan’izy ireo. Miisa 190 ireo voasoratra ao amin’ny holafitra izay vitsy raha miohatra ny velaran-tany izay sahaniny. Noho izany, miantso ireo injienera tsy mbola miasa amin’izany sehatra izany ny filohan’ny OGEM, Lucien Ranaivoarisoa fa ilain’ny firenena. Miisa 300 eo ho eo izy ireo. Misy mihitsy any Afrika. Tsy fantatra ny antony mahatonga azy ireo tsy miditra amin’ny sehatry ny fandrefesan-tany. Malalaka noho izany ny asa fandrefesan-tany ho an’ny tanora.
Mandrefy tany ambony latabatra.
Misy amin’ireo mpahay mpandrefy tany no tsy midina eny an-toerana na maniraka ny mpanampy azy fotsiny . Andraikitry ny OGEM ny manadio sy ny fanaraha-maso ireo manao antsirambina ny asany . Anisan’izany ireo mpahay mpandrefy tany ambony latabatra ireo.
Nirina R.
4 G ORANGE : Hiroborobo hatrany sehatry fambolena.
Anisany faritra mamatsy ny vokatry ny fambolena an’i Madagasikara i Antsirabe. Hanampy betsaka ireo mpandraharaha amin’ity sehatry ity noho izany ny fahatongavan’ny “réseau 4 G” an’ny orinasa Orange. Varavarana ahafahana manaparitaka ny vokatra na eto amin’ny tsena anatiny na any ivelany ny fampiasana aterneto haingam-pandeha. “Mampivoatra ny fandraharahana amin’ny lafiny fambolena ny fampiarahana izany amin’ny teknolojia vaovao”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Orange, Michel Degland. Continuer la lecture
TOKONY AVERINA AMIN’NY FANJAKANA NY TANY…
Olana goavana ny fananan-tany eto Madagasikara ary tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao. Na dia efa misy aza ny volavolan-dalana tonga eny amin’ny antenimierampirenena izay efa kian’ny fiarahamonim-pirenena sahady ireo andininy sasan-tsasany. Continuer la lecture
FORUM DIASPORA MALAGASY : Fampizarana ny traikefa hampandrosoana ny firenena.
Nampifandray ireo Malagasy mpitady ravinahitra manerana an’izao tontolo izao ny hetsika natao teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Nifanakalo hevitra momba ny firaisankinam-pirenena, ny fampandrosoana, ny “business”… Continuer la lecture
MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA: Miantoka ny fahasalamana ny sakafo azo antoka
“Ho dorana avokoa ireo karazan-tsakafo miditra eto Madagasikara tsy manaraka ny fenitry ny fahasalamana”. Nambaran’ny Tale misahana ny fitsirihana ny antoka ara- pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo (ACSSQDA), Joely Nirina RAKOTOVAO RAVAHATRA fa ho giazana ireo entana rehetra varotana eny an-tsena ka tsy nandalo fitsirihana ara-pahasalamana mba hisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo. Continuer la lecture
GRAND OPEN MAHEREZA : Mitaiza tanora ny kaominina.
Vita androany 29 Oktobra 2017 ny famaranana baolina kitra GRAND OPEN MAHEREZA teny amin’ny kaominina Mahereza. « Ao anatin’ny fitaizana ny tanora ny hetsika mba tsy hirona amin’ny fifohana zava-madomelina sy herisetra isan-karazany izy ireo». Continuer la lecture
Fivarotana ny tany « VILLA ELIZABETH » : Andian’olona sy fahefam-panjakana no mahavita izany
Efa ela (taona 2007 tany ho any) ny Pr zafy no niresaka tamin’ireo olona akaiky azy fa misy nitsiriritra io Villa Elizabeth io. Zarain’ity raiamandreny ity amin’ny « olona atokisany » ny ahiahiny : » Misy olona niditra tao amin’ny Villa, hoy izy, ka namaritra tany ary mitonona ho mpiasan’ny fananantany ireo olona ireo, tsy fantatro akory sady tsy nampandrenesina aho tompontrano fa ohatran’ny an-tery no nanaovana izany, hoy ny fitantarany. Continuer la lecture
VATOSOA : Manamora ny dingana atao amin’ny fanondranana ny ministera.
Olon-tsotra sy orinasa 18 nandray anjara tamin’ny fifaninana momba ny fanefena vatosoa. Hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fampirantiana iraisam-pirenena atao any Londres ny volana novambra ho avy izao ny nandrombaka ny loka voalohany. Niofana momba fanefena vatosoa izy ireo talohan’ny fifaninana.
Naranty nandritra ny lanonana fizarana ny loka ireo vatosoa voapaika, asan-tanan’ireo mpandray anjara. Nanatrika izany ny Ministry ny harena an-kibony tany sy solitany, ZAFILAHY Ying Vah, ny Tale Jeneralin’ny ivom-pampiofanana momba ny vatosoa eto Madagasikara (IGM), Andrianirina RASOLONJATOVO.
Sehatra ara-dalana
Ao anatin’ny politikan’ny ministera misahana ny harena an-kibon’ny tany ny fanamorana ny dingana atao amin’ny fanondranana vatosoa. “Ho fampitomboana ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana no tanjona eto”, hoy i Andrianirina RASOLONJATOVO. Ny fidirana amin’ny sehatra ara-dalana no lalana ahafahana manatanteraka izany.
Mbola tsy hiditra eny amin’ny fivoriana ara-potoana ny fitsipika mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Na izany aza, mifandinika amin’ny fanatsarana ity sehatry ity foana ny ratsa-mangaika rehetra voakasika, araka ny fanazavan’ny Ministra.
Ny 25 oktobra 2017 ny fizarana mari-pankasitrahana an’ireo mpifaninana tamin’ny andiany faharoa.
Nirina R.
MAHAJANGA : Hanatsara ny kalitaon’ny fandraharahana ny « réseau 4G ».
Manampy ny mpandraharaha hampiroboroboana ny sehatra iasany ny fampiasana ny vokatry ny teknolojia. Anisan’izany ny aterneto haingam-pandeha izay manatsara ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny tsena anatiny. Continuer la lecture










