Socio-eco

ASAN-DAHALO: Mihainohaino fotsiny ny fitondram-panjakana.


Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’ny kaominina Betsipolotra, distrika Miandrivazo. Miharipaky ny daholo ny hany mba sisa fananan’izy ireo. Omby 1400 lasan’ireo dahalo mirongo fitaovam-piadiana 50 isa, ny talata 12 sy alarobia 13 Septambra 2017. Nanara-dia azy ireo ny solon-tenan’ireo tompon’omby izay manodidina ny roapolo ka tamin’izany no nahafantarana fa natoby tao Manandaza, lemaka akaikin’i Itondy, distrika Miandrivazo ireo omby halatra ireo.

Nandritra ny fanarahana, tsy nisy mpitandro ny filaminana nanampy sy nandray andraikitra nanoloana izany. Araka ny vaovao avy amin’ny mpanara-dia iray, efa niantso ny mpitandro filaminana tany an-toerana izy ireo saingy tsy nety nirotsaka an-tsehatra izy ireo noho ny fahavitsiana. Nanaitra ny mpitandro filaminana teto Antananarivo indray fa nilaza tomponandraikitra voalohany fa mbola miandry baiko vao afaka midina any ifotony.

Atody miady amam-bato.

Nihantsy ady ireo mpanara-dia ireo dahalo. Tsy afa-manoatra anefa ireo very fananana satria tsy manana fitaovana hiarovan-tena. Hany sisa nataon’izy ireo, niverina nitodi-doha nody.

Mbola tsy maty voalavo an-kibo ireo dahalo. Niverina nangalatra ireo ambin’omby tao Androtsibe indray ny 20 tamin’izy ireo, ny 19 septembra 2017. Omby 600 indray no lasa tamin’izany ary nodoran’izy ireo ny tanana satria nanohitra mponina tao.

Hiparitaka amin’ny tsenan’omby ao Miandrivazo, Bongolava, Itasy ireo omby halatra ireo rehefa tsy misy ny fandraisana andraikitra. Noho izany, hahazo vahana ny famotsian’omby.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *