Sport

MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Mangataka fanohanana ireo atleta Malagasy.


Hifanandrina amin’ireo atleta avy ivelany ny atelta Malagasy mandritra ny Marathon International de Tana (MIT) andiany faha-17, ny 14 sy ny 15 oktobra ho avy izao. Ho avy hanatevin-daharana ity hetsika ity ny atelta avy ao amin’ny Nosy raharavavy, avy any Afrika… Manodidina ny 1500 ny mpandray anjara amin’ity andiany karakarain’ny World Trade Center (WCT) ity. “Nitana ny laharana faharoa ny atleta Malagasy na teo amin’ny sokajy vehivavy  izany na lehilahy tamin’ny andiany teo aloha. Porofo  fa mahavita azy ny avy eto an-toerana ka mila tohanana hatrany”, hoy ny mpikarakara, Mercedes RATSIRAHONANA.

Nanamafy izany ihany koa mpandray anjara Malagasy fa miankina amin’ny fanohanana azy ireo ny hitazomana hatrany ny voninahitr’i Madagasikara amin’ity lalao ity. “Mangataka fanampiana  izahay na amin’ny lafiny fanazaran-tena izany na ara-tsakafo fa indrindra ara-moraly”, hoy ny solon-tenan’izy ireo.

Nisolo tena tamin’ny fampahafantarana ireo atleta Malagasy tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny 06 septambra 2017 teo i ANDRIAMPARANY Fenosoa (COSFA), RATIANARISOA Landinirina (COSPN) et RATSARARAY RASAMIMANANA Solomon (ASCU).

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *